Politique

Kandida filoham-pirenena Rakotomalala Fleury no niantefan’ny safidin’ny TAFA sy KMD


  • Zoma 19 Aprily 2013

Nampahafantarin’ny antoko TAFA sy ny fikambanana KMD omaly 18 aprily tetsy amin’ny Galérie Kamoula Analakely, ny anaran’ny olona niantefan’ny safidin-dry zareo nandritra ny kongresy nataony ny zoma 12 aprily teo ka hiangaviany ho hatolotra ho kandidà ho filoham-pirenena amin’ny faha-24 jolay ho avy izao.

 Tsy iza izany fa Atoa Rakotomalala Fleury izay olom-baovao tanteraka araka ny filazan-dry zareo sady madio tanana. Nahazo ny salan’isa 95% nanoloana an’ireo kandidà 8 hafa nisafidianana tamin’ny alalan’ny “Bulletin Unique” izy. Mbola faniriana moa ny anay, hoy Atoa Raveloson Louis de Gonzague filoha nasionalin’ny KMD fa rehefa tafaverina an-tanindrazana namita iraka any ivelany Atoa Rakotomalala Fleury dia hanome ny fanapahan-keviny. Nialoha izao dia fantatra fa dia nitady ny fanohanan’ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny FJKM Atoa Rakotomalala Fleury ary ambolana maro no niketrehany izany indrindra tany Boeny, izy rahateo zanaka mpitandrina. Nodinihan’ny TAFA sy KMD tamin’ity fihaonana omaly ity koa taorianan’io fanambarana io ny mikasika an’ilay antsoina hoe KMD Pety izay hanao zaikabe any Ambositra ny 11 sy 12 mey izao araka ny doka aely. Tahaka ny efa nitsipahan’ny KMD Amoron’i Mania azy io dia mitsipaka marindrano ny fisian’izany KMD Pety izany koa ny KMD nasionaly eto Antananarivo. Tsy mpitaritolona Atoa Pety Rakotoniaina tamin’ny taona 2009, hoy Atoa Louis de Gonzague, fa gadra navoaka ny fonja ka anisan’ny namoaka azy ny KMD ka tsy zony ny misalotra an’io anarana fikambanana io.

 

Ny vokatr’ilay latsabato nataon’ny KMD sy Tafa tamin’ny zoma teo :

Fleury Rakotomalala                 95%        nahazo vato 760

Botozaza Pierro                       0,64%                      vato  8

Saraha Georget Rabeharisoa   0,56%                      vato  7

Hajo Andrianainarivelo          0,40 %                     vato  5

Edgard Razafindravahy            0,40%                      vato  5

Pierrot Rajaonarivelo             0,40%                      vato  5

Roland Ratsiraka                     0,34%                vato  4

Mamy Rakotoarivelo              0,16%                 vato  2

Sylvain Rabetsaroana             0,08%                      vato  1

Vato maty                                                                            3   

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT