Politique

Kandida filoham-pirenena Niala an-daharana koa Rakotoaritsifa Hasina


  • Alakamisy 02 Mey 2013

Manahy ny hisian’ny korontana sy fifandonana hitranga eto amin’ny firenena aorian’ny datin’ny 3 mey, hamoahan’ny CES na ilay fitsarana manokana misahana ny fifidianana, ny anaran’ireo kandida afaka mifaninana na tsia ny MAMIMI na Malagasy Miray sy Mifankatia izay nanolotra an-dRakotoaritsifa Haino Hasimbola ho kandida filoham-pirenena.

 Araka izany dia nanapa-kevitra ny hanatsoaka ny firotsahany ity farany. “Mahatsapa koa izahay fa toa kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena noho ny hamaroan’ny kandidà sady tsapa sy ny fisaratsarahan-tsaina. Tsy lazaina intsony izany ny fampiasana ny fitaovam-panjakana sy fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’ny kandida sasany”, hoy Rakotoaritsifa naneho ny ahiahiny. Kely finoana ny hisian’ny fifidianana amin’ny 24 jolay amin’izao toe-draharaha izao rahateo ny tenany. “Fampihavanana aloha vao ny fifidianana ka handray anjara mavitrika amin’izany izahay”, araka ny hevi-dRakotoaritsifa ihany. Araka izany dia hiverina amin’ny asa fampihavanana izay nahalalana azy taloha ny MAMIMI ka hiaraka hisalahy amin’ny FFKM. Kandida roa sahady izany izao no nitsoaka an-daharana izay marihina fa samy tsy mpanao politika no tanora ihany koa. Noho ny fanahiana hisian’ny ady ihany koa raha tsiahivina no nahatonga an-dRakotoarijaona Avotra Antsiva Avoko, kandidan’ny antoko MAF hisintona ny firotsahany tamin’ny alahady teo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT