Politique

Kandida filoham-pirenena Nametra-pialana koa ny CST Rabetsaroana Sylvain


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Nanaja ny fe-potoana 60 andro voafaritry ny lalàna tokony hametraham-pialana ny CST Rabetsaroana Sylvain, izay kandida filoham-pirenena.

 Teny anivon’ny fiadidiana ny filohan’ny CST no nametrahany ny taratasy milaza izany ny zoma 24 mey teo fa tsy teny amin’ny CES tahaka ireo mpifaninana telo hafa, araka ny nambarany. Raha ilaina anefa ny manatitra dika mitovy any amin’ny CES dia vonona hanaraka izay lamina izay ny tenany. Nilaza koa izy fa tsy olana izay filaharan’ny fifidianana satria efa vonona hiatrika vahoaka ry zareo manoloana ny fikasan’ny filohan’ny tetezamita handroso ny fifidianana solombavambahoaka. Nanameloka ny fahanginan’ny governemanta tamin’ny fanaovan’i Fatma Samoura teny tsy tsaroana niantefa tamin’ireo Raiamandreny ao amin’ny FFKM Rabetsaroana Sylvain. Ny governemanta izay faingana ery nefa tamin’ny fanamelohana ireo ampahana vahoaka nanao teny tsy voahevitra tamin’ity diplaomaty mpandrindra ny asan’ny Firenena Mikambanana eto amintsika ity.


Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT