Politique

Kandida filoham-pirenena Hanaparitaka vato ireo mpiara-dia tamin’i Andry Rajoelina


  • Talata 23 Aprily 2013

Mihazakazaka eny Ambohidahy ireo mpiara-dia tamin’i Andry Rajoelina teny an-kianja. Hanaparitaka vato sa hivarotra vato hahazoana toerana raha tsy lany ?

 Kandida telo indray mantsy omaly alatsinainy 22 aprily, no nanatevina ny lisitr’ireo tonga nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany teny amin’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana eny Ambohidahy. Teo i Julien Razafimanazato, kandidan’ny ESD (Eto Sehatra ho an’ny Demokrasia). Minisitry ny fanabeazam-pirenena voalohan’ny FAT izy, anisan’ireo napetraka taorian’ny famakiana biraon’ny ministera teny Anosy tamin’ny febroary 2009. Saika ireo mpiara-miasa akaiky taminy taloha tao amin’ny ministera no nanotrona azy teny Ambohidahy omaly. Saika ny iray tampo sy fianakaviana akaiky azy kosa no nanotrona an’i Camille Vital Albert mivady tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany omaly.

Resa-pianakaviana ve ny fitantanana tian’ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity hatao amin’io kisary nasehony io sa inona ? Nanampy azy ireo i Laza Razafiarison, Sekretera jeneralin’ny antoko “Avotra ho an'ny Firenena”. Olona nipoitra tato anatin’izao tetezamita nateraky ny fanonganam-panjakana izao izy ireo, saingy nisintaka tsikelikely ny lamasinina TGV rehefa tsy tafahetsika teo amin’ny gara na nandeha ihany fa diso lalana ity farany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT