Kandida filoham-pirenena

> Fitoriana samihafa no voarain’ny CES


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Araka ny nampoizina dia nametraka fitoriana teo anivon’ny CES araka izay heveriny fa rariny sy hitsiny ireo mpanao politika sy vondrona politika manana kandida filoham-pirenena ny alarobia lasa teo. Nisantatra izany ny alarobia 14 aogositra vao maraina tamin’ny 08 ora sy sasany ny vondrona Escopol.

Fangatahana fandravana ny lisitry ny kandida 41 izay nankatoavin’ny CES teo aloha no votoatiny araka ny fanazavan-dRamanantsoa Todisoa avy amin’ny MTS sady nisolotena ny Escopol. «Mametraka taratasy firotsahan-ko fidiana indray mandeha avy eo”, hoy izy. Nifanarakaraka rehefa misandratr’andro ny «Collectif des candidats” sy ny kandida Lezava Fleury. Tsy nametraka fitarainana mitambatra anefa ny «Collectif des candidats” fa samy nametraka amin’ny anaran’ny antoko na vondrona misy azy avy. Anisan’izany ny Monima, ny mpiaradia amin’i Hajo Andrianainarivelo, Camille Vital, Alain Tehindrazanarivelo, Voninahitsy Jean Eugène ary Pierrot Rajaonarivelo. Ny Dr Rasolondraibe Péri no hany lehiben’andrimpanjakana nametraka fitoriana. Izy dia filohan’ny Komity mpanaramaso ny fampiharana ny tondrozotra. Mitovy avokoa ny fangatahan’izy ireo dia ny fanitsananana ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. I Voninahitsy Jean Eugène kandidan’ny “Les AS” no nilaza fa misakana ny fizotran’ny fifidianana izy telo ireo sady tsy afaka hanao na inona na inona isika raha tsy ankatoavin’ny vondrona iraisam-pirenena ny fifidianana tanterahana. Ho an’i Lezava Fleury izay kandida filoham-pirenena kosa dia i Andry Rajoelina ihany no mila esorina ao anaty lisitra satria tara roa andro aorian’ny fe-potoana nametrahana ny filatsahan-ko fidiana vao tafapetraka ny dosieny. Nampiany fa tsy Ravalomanana Lalao sy Ratsiraka Didier irery akory no tsy nahafeno ny enim-bolana nipetrahana teto Madagasikara fa misy hafa. “Aleo tsy hisitra amin’ny resaka tsy mazava izahay”, hoy izy.

 

Fanarahan-dalàna

Namarana ny fangatahana ny handinihana ny lisitry ny kandida teo anivon’ny CES i Patrick Raharimanana kandidan’ny antoko “Vitatsika io” ny alarobia 14 aogositra. Nambarany fa “tsy ilaina ny mifandrafy, na ny samy Malagasy, na ny samy kandida fa ilaina kosa ny fanarahan-dalàna tsy hijerena olona manokana”. Teboka enina lehibe no nitondran’i Patrick Raharimanana fanamarihana ka nangatahany hodinihin’ny CES mba handraisana fanapahan-kevitra. Voalohany ny amin’ny daty nanombohan’ny fandraisana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana voarakitra ao amin’ilay fanapahana lah-1-CES/D tamin’ny 3 mey 2013 mametra ny lisitry ny kandida hifaninana amin’ny fifidianana ny filoha voalohan’ny Repoblika faha-4. Faharoa ny amin’ireo masoivoho Malagasy any ivelany izay heverina ho toy ny ilan-tanin’i Madagasikara. Fahatelo ny famaritana mazava ny amin’ny hoe : mitoetra enim-bolana eto Madagasikara. Fahaefatra ny faharetan’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Fahadimy ny fampiharana ny andininy faha-96 amin’ny “Accord de Cotonou” ary fahaenina ny fametraham-pialana sy ny fanilihana kandida. Nanamafy i Patrick Raharimanana fa vonona ny hiatrika ary manamafy ny firotsahany. Izy rahateo dia nahazo tso-drano tamin’ireo Ray aman-dreny sy Ampanjaka rehetra isaky ny Faritra eto Madagasikara.

Yves sy Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT