Kandida filoham-pirenena

> Dimy tamin’izy valo voailika no nihetsika


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Hariva omaly vao mena fify teny amin’ny CES Ambohidahy. Niandry ny ora farany ireo kandida nailiky ny CES tsy afaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo vao nihetsika.

Dimy tamin’ireo valo voailika ihany anefa no tonga na nandefa solontena fa ny telo tsy nandrenesam-peo. Tamin’ireo tonga dia tao ireo nitaky ny hanafoanana ny didy navoakan’ny CES farany manilika kandida iny ary manamafy ny firotsahan-kofidiany, toy ny ny kandida isany Ravalomanana Lalao Harivelo teraka Rakotonirainy sy Rasolovoahangy Roseline Emma ary Rafalimanana Ny Rado. Nanaiky ny fanilihana azy kosa saingy nanolotra kandida ho solony ny kandida isany Kolo Christophe Rolland Roger sy Jules Etienne Rolland, ka ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola Hery Rajaonarimampianina no niarahan’izy ireo nanolotra ho kandida amin’ny toeran’izy ireo. Fa sady tsy nametraka fitoriana no tsy nanolotra olon-kafa hisolo azy ny kandida Ratsiraka Didier Ignace sy Rajoelina Andry Nirina ary Rakotomalala Marcel Fleury. Mbola manantena fiovan-javatra sa efa manaiky matoa tsy miteny ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT