24 ora aty aorian’ny fikatonan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES dia mitsikafona ny resaka fa maromaro amin’ireo kandida nametraka dosie teny Ambohidahy no tsy nahaloa akory ilay anto-bola 50 tapitrisa Ariary, takiana amin’ny kandida.
Tara fandoavana sa be hambo fa tsy manam-bola akory sa inona no sakana tamin’izy ireo ? Ny azo antoka dia betsaka no nanatitra dosie fa mety ho vitsy no tafavoaka amin’ny sivana. Tsy ferana koa ny fisian’ireo kandida mety tsy nanana akory ireo antontan-taratasy takiana amin’ny firotsahan-kofidiana ankoatra ilay anto-bola 50 tapitrisa Ariary. Tsiahivina fa niisa 49 ireo kandida nanatitra dosie teny amin’ny CES hatramin’ny alahady 28 aprily tamin’ny 5 ora hariva farafandraisana izany teo amin’ny firaketan-draharahan’ny CES. 37 tamin’ireo ihany no nahavita nandrotsaka ara-potoana ny vola teny anivon’ny Tahirimbolam-panjakana Antaninarenina. Mipetraka ihany moa ny fanontaniana amin’ny trangan-javatra toy izao hoe, inona no mampihazakazaka hirotsaka ho kandida rehefa fantatra fa tsy hahafeno fepetra ? Sa mitetika ny hanao bizina, ka natao fitaovana hitadiavam-bola fotsiny ny fanaterana teny amin’ny CES ny ampahan’ny dosie takiana ka nanaovana dokambarotra nisehosehoana tamin’ny haino aman-jery sy an-gazety fa efa nahavita nametraka dosie ?
Ao anatin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo kandida moa ankehitriny ireo mpikambana sivy mianadahy eo anivon’ny CES. Manana hatramin’ny 03 mey izao izy ireo, hijerena na mahafeno fepetra araka ny takian’ny lalàna ireo kandida nanatitra antontan-taratasy filatsakan-kofidiana ka voaray teo am-pelatanan’izy ireo. Andrasana amin’ny zoma 03 mey, araka izany, ireo kandida mahafeno fepetra takian’ny lalàna. Ny efa fantatra dia nisy kandida iray tamin’ireo 49 nanatitra dosie no nanapa-kevitra talohan’ny fikatonan’ny fandraisana dosie, fa hihemotra ka nanatsoaka ny firotsahan-kofidiany teo anivon’ny CES, dia ny Me Rakotoarijaona Avoko izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.