Politique

Kandida « Favoris » Te hampihemotra fifidianana, hoy ny DFP


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Ireo Kandida goavana nitabataba maika hanao fifidianana tamin’ny taona 2016 sy 2017 avy amin’ny fitondrana sy ivelan’ny fitondrana mihitsy indray, hoy ny avy anivon’ny vovonana politika,

  Dinika ho amin’ny fanavotam-pirenena na ny DFP, tarihin’ny filohany, Tolojanahary Maharavo na Doudou, ankehitriny no manao izay fomba rehetra hanemorana ny fifidianana amin’ny alalan’ity resaka fikitihana ny lalàna mifehy ny fifidianana ity. Ho anay DFP, hoy ny filohany, dia azo anaovana fifidianana tsara io kaodim-pifidianana io rehefa mipetraka ny balizy tsy ihoaram-pefin’ny mpitondra hanao fampielezankevitra sy hampiasa fitaovam-panjakana. Ny tokony hahamaika ny mpanao politika ankehitriny dia ny hanabe ny olom-pirenena mikasika ny  tontolom-pifidianana (éducation électorale) ary izany  no mahatonga anay mitety faritra hampahafantatra ny tokony hataon’ny olom-pirenena mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana satria inian’ny mpanao politika tsy atao izany. Namoaka boky kely mirakitra izay fanabeazana tanterahiny izay moa ny DFP ary miantso ny malalatanana mba hanampy azy ireo amin’ny fanapariahana izany. Ny 31 janoary izao no mikatona ny lisi-pifidianana kanefa ny olona variana tamin’ny fety sy sahirana tamin’ny rano niakatra vokatry ny rivodoza ary dia tsy nanam-potoana nanamarihana izany. Mitaky fahafaha-manamarina anarana ao anaty lisitra manokana ankoatry ny amin’ity janoary ity (révision spéciale), araka izany, ny DFP.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT