Kandidŕ efa manao fampielezan-kevitra

> Mitaky ny hanasaziana azy ireo ny Green Gasikara


  • Alarobia 18 Septambra 2013

Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny Ankolafy Ravalomanana hanohana ny kandida Jean Louis Robison ny fikambanana Green Gasikara, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Atoa Rafidinjatovo Zafimahaleo, raha io no tena lalana hamerina tokoa ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

Manahy mantsy izahay, hoy izy, sao dia handiso fanantenana ny vahoaka, indrindra ny mpomba ity filoha taloha ity indray ny zavatra hiseho atsy ho atsy. Ny hirarianay Green Gasikara dia mba tsy ho lasa herim-pamoretana ny vahoaka malagasy ny voafidy. Nilaza ny Green Gasikara fa toherin’izy ireo ny fihetsika ataon’ireo kandidà sasantsasany efa tena miroso amin’ny fampielezan-kevitra satria efa mizara tee-shirt, mametaka sary goavana etsy sy eroa … Koa manao antso avo amin’ny CENI-T sy ny ministeran’ny ati-tany izahay, handray andraikitra ka hanasazy an’ireo kandidà voalaza ireo fa tena mandika ny lalàna velona tsotra izao. Manaitra ny FFM koa izahay mba ho menatra amin’ny ataony fa tsy ny mpanao politika ihany tsy akory no mila fampihavanana fa hatramin’ny olon-tsotra rehetra koa.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT