Azo ny taratasy ara-panjakana maneho ny maha ara-dalàna ny fandrotsahan’ny TIM-K25 kandida solombavambahoaka eny amin’ny Boriborintany faha-5, ka nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly izany.
Mitana ny lohalisitra Atoa Ralambozafimbololona Fetra na « Mr Fetra », izay tanora vao erotrerony. Lisitra faharoa kosa Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy na « Chief Naina », fahatelo Rtoa Ratsiverinoro Razafindrainibe, ary ny lisitra faha-4 kosa dia Andriamanantena Elie. Natolotry ny rafitra tany ifotony ho kandida Ralambozafimbololona Fetra, ary nankatoavin’ny rafitra faratampon’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny alalan’ny filoha mpanorina dia Atoa Marc Ravalomanana, ka nisaotra manokana ity farany sy ny mpikatroka FOKTIM sy DISTIM ary ny vahoaka manontolo izy ireo. Nampanantena fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’izay fitokisana lehibe napetraka taminy. Efa filohana fikambanana ara-tsosialy tao anatin’ny Boriborintany faha-5 efa ho 20 taona izay Ralambozambozafimbololona Fetra. Niasa mangina tao anatin’izany, toy ny fampidirana mpianatra, fikarakarana kopia,… eny betsaka ny zavatra vita fa mbola ho avy ny fotoana hilazana izany, hoy izy. Mpanolontsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo izy, ary isan’ny zavatra hiadiany mafy any amin’ny antenimiera ny resaka lalàna hoenti-mampivoatra sy mandamina ary mampandroso ny tanàna. Hiady ho fampandrosoana an’Antananarivo, hiady amin’ny tsindrihazolena, hiady ho an’ireo niangaran’ny vintana,… ka manantena ny fiaraha-misahalahy, hoy izy. Vonon-kisedra sy hibata fandresena amin’ny fifidianana izy ireo ary tsy ho kivy fa hisiki-ponitra miaraka amin’ny vahoakan’ny Boriborintany faha-5 satria tafita rahateo ny hafatr’i Marc Ravalomanana hoe : « never give up », raha ny nambaran’i Chief Naina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.