Hanomboka rahampitso talata 26 febroary hatramin’ny 12 martsa ny fandrotsahana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida solombavambahoaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) izay voasokajy ho antoko matanjaka, dia maro ny mpikatroka te hitondra ny lokony. Endrika iray hisian’ny fifandaminana ny fifidianana savaranonando, toromarika avy amin’ny talen’ny fampielezan-kevitry ny antoko. Niroso tamin’izany ny boriborintany faha-5 ny sabotsy 23 febroary teo. Natao teny amin’ny foiben-toeran’ny TIM.K25 teny Bel’Air ny fifidianana, ka voasafidin’ny mpikatroka eny ifotony (bases) tamin’ny alalan’ny DISTIM sy FOKTIM hitondra ny lokon’ny antoko Atoa Ralambozafimbololona Fetra izay nahazo vato 117. Mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo izy, ary efa lisitra faharoan’Atoa Randrianarisoa Guy Rivo tamin’ny fifidianana depiote tamin’ny 2013. Nahazo vato 4 kosa Atoa Faustin Andriambahoaka filohan’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo, ary ny depiote teo aloha Atoa Randrianarisoa Guy Rivo kosa nahazo vato 1. Ireo solombavam-bahoaka teo aloha miaraka amin’ireo “Assistants parlementaires”, ireo delegen’ny boriborintany faha-5, mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo eto amin’ny boriborintany faha-5, ireo biraon’ny DISTIM sy ny mpanolotsaina, ary solontena 5 isaky ny FokTim 27, izay samy nandefasana taratasy fampiantsoana avokoa, ka ny 123 tamin’ireo 183 voasoratra anarana no tonga nanatanteraka ny fifidianana. Marihina fa anjaran’ny birao nasionalin’ny TIM ny fanapahan-kevitra farany, kanefa miandrandra sy miangavy ireo mpikatroka TIM eny ifotony mba hohajaina izay safidin’izy ireo tamin’ny fifidianana savaranonando, hoy ny antso avo tetsy Bel’Air ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.