Tafakatra 18 tamin’ny ora farany ireo kandida nanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’i Fandriana. Anisan’ireo ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa teo aloha Toto Raharimalala Lydia efa nirotsaka tamin’ny anaran’ny fikambanana «Ny Fanahy maha olona» saingy niova lasy ka natolotry ny fikambanana «Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina» indray ankehitriny. Nisy 17 ireo kandida efa nametraka antontan-taratasy tao amin’ny OVEC Fandriana hatramin’izay fa nanampy ny kandida natolotry ny Avana Atoa Rajaoniarivo Raymond Lucien izany ny alatsinainy 23 septambra lasa teo. Araka ny fantatra dia misy kandidan’ny «Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina» avokoa ireo Distrika efatra ao Amoron’i Mania : Atoa Rakotomandimby Désiré no ao Ambositra, Atoa Rafahatelo no ao Manandriana, Rtoa Minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine no ao Ambatofinandrahana ary Rtoa Toto Raharimalala Lydia no ao Fandriana. Tafakatra 79 amin’izao fotoana izao ireo kandida hirotsaka hofidina solombavambahoaka ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania raha 50 izany teo aloha : Misy kandida 28 ao Ambositra, 15 ao Ambatofinandrahana, 18 ao Fandriana ary 18 ihany koa ao amin’ny Distrika Manandriana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.