Nitafa tamin’ny mponina teny Andravoahangy Atsinanana ny kandida depioten’ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny Boriborintany faha-3 eto Antananarivo Rtoa Razafindrazaka Bodoharisoa na Bodo omaly.
Izy no laharana faharoa ao anatin’ny lisitry ny TIM, raha Atoa Ralambomanana Feno no mitana ny lisitra voalohany. Tanjon’izy ireo ny hanao poa-droa amin’ity fifidianana ity. Nitafa tamin’ny mponina sy nijery ifotony ny olana mahazo azy ireo ny kandida Bodo. Nisy ny fizarana sakafo ho an’ny ankizy sy beantitra sahirana nataony nandritra io diany io. Hifantoka amin’ny asa sosialy ny ataonay, hoy izy, na tsy anjaran’ny depiote aza izany. Mifameno tanteraka rahateo ireo satria sady mitondra ny anjara biriky azo hanampiana ny mpiara-belona no miady ho azy ireo eny amin’ny antenimieram-pirenena, mba tena hipaka amin’ny vahoaka ny asan’ny fahefana mpanatanteraka. Ny antoko Tiako I Madagasikara no manolotra azy ireo, fa ho solombavambahoakan’i Madagasikara sy hitondra ny tenin’ny vahoaka sy hametraka lalàna mifanaraka amin’ny filan’ny firenena sy ny Malagasy no adidy hiantsorohana, ka misokatra ho an’ny rehetra ireo kandida satria firenena no jerena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.