Kandida depiote ao Vakinankaratra

> Mamisoa ao Ambatolampy, Selitiana ao Antanifotsy


  • Talata 24 Septambra 2013

Tapa-kevitra fa dia handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka tokoa ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada raha ny mitranga ao Vakinankaratra.

Tafapetraka ny marainan’ny alatsinainy 23 septambra ny antontan-taratasin’ny kandidà Rasolonjanahary Selitiana izay natolotry ny Antoko Zanak’i Dada madiodio ao Antanifotsy. Toerana roa no hiadivana ao amin’ity Distrika ity, hifaninana amin’ny ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana izay depiote teo aloha, araka ny fandaminana. Ny alatsinainy 23 septambra tolakandro indray no nametrahana ny antontan-taratasy ho filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC Ambatolampy ka ny Depoite teo aloha Rakotomandimbindraibe Mamisoa no mitarika ny lisitry ny ankolafy Ravalomanana. Laharam-pahamehana ho azy ny famerenana ny fandriampahalemana satria tsy hisy olona afaka hamokatra izany raha mitaintaina lava izy. Nandritra ny fandalovan’ireo delegasiona mafonja  tao Antsirabe ny sabotsy teo dia nambaran’ny Dr Louis Robinson fa tsy hanana kandidà ny Avana ao Ambatolampy fa ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana no hotohanana ao an-toerana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT