Politique

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Solonandrasana Mahafaly sy ny ekipany ao amin’ity minisitera ity fa dia nivoaka ny vavany ihany farany omaly ny filazana fa manakorontana ny fitantanana ny kaominina ireo kandida ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina. “Mandringa ny didy aman-dalàna satria  olona iray tsy lany ben’ny tanàna, lasa mpanolotsaina.  Hahitsy izany lalàna izany fa mampikatso ny fampandrosoana ny kaominina ary manakorontana tanteraka”, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana,  omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy nandritry ny atrikasa momba ny fandinihana ny fihodin’ny atao hoe tetibola ifarimbonana (budget participative) niaraka tamin’ireo ben’ny tanàna manerana ny nosy sy ny rafitra alemanina GIZ.  Efa natsidiky ny lefitra voalohan’ny  ben’ny tanànan’Antananarivo,  Andriamorasata Julien, rahateo amin’ny mpitondra izany satria anisan’ny tsy afa-bela  ny  CUA,  manoloana ireo kandidà tsy lany ben’ny  tanàna lasa mpanolotsaina amin’izao fotoana izao. Anisan’izany, Ravololomanana Lalatiana, kandidà  tsy lany ary eo anivon’ny filankevitry ny tanàna. “Tsy Antananarivo ihany  ny  tahaka izany fa manerana  ny Nosy mihitsy”, hoy  izy volana  vitsy lasa izay. Mikasika izay resaka tetibola ifarimbonana izay moa dia nanambara ny fahafahampony amin’ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka ao aminy sy ny fahombiazana amin’ny alalan’ity fomba fiasa ity ny ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe, satria dia mahatratra 75%  ny taham-pampidiran-ketran’ity kaominina ity raha ny nambarany. Mandeha ihany koa ireo tetikasan’ny kaominina satria raha mahazo famatsiana 90 tapitrisa, ohatra, dia lasa 300 tapitrisa izany noho ilay fampidiran-ketra sy ny fandraisan’anjaran’ny mponina.

 

J. Mirija

 


  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT