Tsy marina ny filazana fa meloka ny tenako satria efa foana tsy manan-kery intsony ny didy N° CATO -165-CO/18 ny 07 martsa 2018 satria efa misy didim-pitsarana manafoana azy io dia ny laharana faha CATO-835-CO/18, nivoaka tamin’ny 18 jolay 2018,
hoy ny kandida José Clément Randrianasolo ao Brickaville. Ny olona mirotsaka hofidiana rehetra rahateo dia tsy maintsy maka Bulletin n° 03 any amin’ny TPI Toamasina ka raha meloka aho dia tsy nahazo io casier judiciaire io, hoy izy. Raha tsiahivina dia nanaovako fanohanana io didy io tamin’ny 15 martsa 2018 ka nofoanan’ny Fitsarana Ambaratonga ambony ao Toamasina ihany tamin’ny 18 jolay 2018 araka ny didy laharana « CATO – 835- CO/18» voalaza etsy ambony, hoy ny fanazavana. Mikasika ny raharaha mametraka olana amiko sy Andriamatoa HUO CHAOU YANN soloin’Andriamatoa KIN tena dia ambarako mazava fa tsy manana tany na dia 01 cm2 ao MANAMBATO, CR VOHITRANIVONA io olona io fa nanofa ny tanin’ny CR VOHITRANIVONA izy izay mitondra ny TN 2293-BC Rasoabe MANAMBATO araka ny contrat de bail tamin’ny 12 janoary 1998. Nofoanan’ny filankevitra VOHITRANIVONA anefa io Bail io tamin’ny 27 mey 2011 araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 09/2011 satria tsy voaloa ny hofan’ny tany sady tsy misy fanapahan-kevitra avy tamin’ny Filankevitra. Tsy faly noho izany izy ka nitory tamin’ny TPI Toamasina nefa resy, tsy afa-po izy dia nampiakatra tamin’ny Cours d’appel. Tsy mbola afa-po ihany izy tamin’ny fivoahan’ny didy CATO-835-CO/18 io ka nangataka fanafoanana io fanapahan-kevitra io tamin’ny TAF Toamasina nefa mbola resy ihany araka ny Jugement « JGT N° -49 » du 19 Juin 2019, hoy i José Clément Randrianasolo. Marihina fa nitory azy eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.