Politique

Kandida atahoran’ny fanjakana Tsy avela hampiditra angidim-by…


  • Talata 13 Febroary 2018

Miala any indray ny tetika maloto hafa hanomezana tombondahiny hatrany ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Re mantsy izao fa mety hatao lalàna ny tsy fahafahana mampiditra angidim-by na fiaramanidina kely avy any ivelany hampiasaina amin’ny propagandy.

Tanjona hatrany ny hamotehana sy higafiana ny kandida atahorana sy manana herijika handresy ny kandidam-panjakana. Etsy an-kilany anefa dia azo antoka fa efa miomana fatratra ny amin’io resaka ara-pitaovana io ny mpitondra am-perinasa, fa ny hafa ihany no hanaovana antsojay. Ny rafitra hatrany amin’ny fokontany rahateo efa fehezina mafy sy tadiavina hatao fitaovana hampandresena ny kandidam-panjakana, ary efa tena mametrapetraka izany ny HVM ankehitriny. Ezahina sakanana amin’ny fomba rehetra kosa ny fahalalahan’ny kandida hafa hanao propagandy hatreny ifotony, raha tanteraka eo io resaka fandrarana ny fampidirana angidim-by avy any ivelany io, izay mety hampihena ny herijikan’ireo kandida matanjaka sy azo antoka fa handavo ny kandidam-panjakana. Tsy afa-po amin’ny famotehana andro aman’alina, raha tsy hilaza afa tsy io atao amin’i Marc Ravalomanana io ny HVM. Handefasana mpitandro ny filaminana mirongo fiadiana rehefa mihaino ny feon’ny vahoaka, akatona ny orinasa, harodana ny tranony, hamoronana dosie maloto,… ary miakatra ihany ny lentan’ny fomba mamohehitra mariky ny hakanosana. I Marc Ravalomanana hatreto no kandida atahorana indrindra, ka na ny orinasan-tseraserany hahafahany mitafa amin’ny vahoaka aza tsy avela hisokatra, raha toa ka atao izay hampiroborobo ny an’ny mpitondra. Ny fidinany mivantana eny ifotony hilana kisa sy sakanana, ary mbola hetraketraka hafa indray raha tanteraka io fanakanana ny fampidirana angidim-by io amin’ny fifidianana. Tsy hay indray izay atao amin’i Andry Rajoelina izay efa tena miverina an-kianja amin’ny sehatra politika ankehitriny. Ho avy ihany koa ve ny antsojay sa hosokajiana ho tsy mbola atahorana aloha ? Sa kosa hiandry izay ambarany amin’ny alahady 18 janoary ho avy izao, ka raha milaza fa ho kandida filoham-pirenena, dia hampitoviana kilasy amin’i Marc Ravalomanana, ary ho avy ihany koa ny HVM amin’ny angady sy ny harona handoto sy hamotika ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT