Politique

Kandidà amin’ny 2018 Maro no tsy ho ampoizina


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 tetsy

 

Antsonjombe omaly ny filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy, ny pasitera Jean Christian Dieudonné, fantatry ny rehetra amin’ny hoe pasitera Mailhol. Izy izany izao no faninefany nahenoana feo hatreto fa hilatsaka ho filoham-pirenena taorian’ny filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny vondrona Mapar, Andry Rajoelina ary ilay mpitarika ny fiangonana Hebraika, Cohen Rivolala. Ny azy mirahalahy tetsy aloha moa izany dia efa heverin’ny maro hoe ofisialy fa ny an’ireto 2 farany kosa dia tonga amin’ilay fitenin’ny mpivazivazy hoe tsy hita be eny ihany na tena hilatsaka tokoa na tsia satria dia tsy misy ny mahasakana ny filatsahako, hoy ilay iray, kanefa dia tsy hita izay nanjavonany amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taon-dasa kosa ilay 1 nalaza tamin’ny raharaha ambalavelona no efa nilaza fa hilatsaka kinanjo volana vitsy tamin’ny fiandohan’ny taona 2017 indray dia nanazava izy fa mbola miankina amin’ny toe-draharaha izany. Na izany na tsy izany, ho maro ireo kandidà tsy ho ampoizina, raha ny feo mande ary isan’ireo anarana efa mihaodihaody moa ny an’i Orlando Raobimanana tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha sy Ny Rado Rafalimanana, mpandraharaha izay manana ny orinasany eto Madagasikara sy any Dubai.Fa mety mbola misy ihany koa anefa ny olona vaovao izay mety tsy ao anatin’ny kajin’ny mpamakafaka politika mihitsy kanefa hiseho amin’izay ary ho kandida amin’io 2018 io.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT