Politique

Kajy politika Kandida 15 no hifanandrina amin’i Neny ?


  • Talata 30 Aprily 2013

Mizara telo mazava tsara ireo 48 mianadahy kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 Ao ny kandida avy amn’ny fiparitahan’ny ankolafy Rajoelina, toa an-dry Edgar Razafindravahy (PDS-n’Antananarivo notendren’i Andry Rajoelina), Hajo Andrianainarivelo (Minisitra efa nanomboka tamin’ny 2009), Roland Ratsiraka (mpikambana CST), Lahiniriko Jean (mpikambana CST), Rasolosoa Dolin (filohan’ny CST), Monja Roindefo (praiminisitry ny FAT voalohany), Camille Vital (praiminisitry ny FAT faharoa). Nosinganina ireo fa mbola misy kandida hafa manohana an’i Andry Rajoelina. Ny sojaky faharoa kosa dia ireo kandida tsy dia hita firy hoe momba ny atsy na ny aroa, fa niezaka ny nampiseho ny maha elanelam-panahy azy ireo manoloana ireo mpifanandrina fototra amin’ny krizy, anisan’izany i Jean Louis Robinson (Avana), Saraha Georget Rabeharisoa (antoko Maitso), Jean Pierre Rakoto, Joseph Randriamampionona, Roland Rabearison na Vahombey (FAM), Jules Etienne (Madagasikara Fivoarana), Patrick Raharimanana (Vitatsika io), Guy Ratrimoarivony, William Ratrema, Patrick Rajaonary.

Miavaka, misongadina

Ao anatin’ny sokajy fahatelo farany kosa, ny kandida heverin’ny rehetra fa kandida tokana avy amin’ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny gaboraraka nataon’ny FAT dia Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy izay natolotry ny ankolafy Ravalomanana. Na sinema na tena izy no nataon’ny ankolafy Rajoelina, dia efa ampy hitsaran’ny olona ny tsy fahamatorany amin’ny fanaovana politika ny hamaroan’ny olony kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mibaribary ny fitiavan-tena sy ny fitiavana fahefana ary ny tsy fahaizana mikaroka ny marimaritra iraisana sy ny fanajana ny fitsipika mifehy ilay ankolafy (ndlr : raha misy tokoa izany fitsipika izany), fa dia tena samy manao izay tiany ireo mpanao politika nilaza tany am-piandohana fa manohana ny fanovana notarihan’i Andry Rajoelina.

Raha mba hoe kandida 2 no natolotra dia mba azo ekena ihany, fa efa mananiky ny 15 ireo kandida fantatra fa nitakosona tamin’ny fitondrana FAT ao anatin’ireo 48 ireo, ka asa hoe hanao inona daholo izany ? Inona no tanjona ? Ny fanasoavana an’i Madagasikara marina ve sa tena zavatra hafa mihitsy ? Isa tsara ho an’ny mpanohitra kosa ny tsy nanolorany afa-tsy kandida tokana, izay efa azon’izy ireo antoka fa ho lasa lavitra ary hisongadina. Mety ho diso tetika ihany ireo nikasa hanaparitaka ny vato, araka ny fomba fanao mahazatra, satria efa tena maika hivoaka amin’ny krizy ny Malagasy, ka tsy olona namboly ny krizy sy be hatoka nandritra ny tetezamita, na voatonontonona tamina raharaha maizina mihitsy no hofidiany hitarika azy, fa olona miavaka sy hita fa efa nahavita zavatra ho an’ny mpiara-belona aminy sy ny fireneny hatry ny ela. Tsara homarihana fa ny zoma, sabotsy ary ny alahady lasa teo no tena nibosesika ny fanaterana dosie teny Ambohidahy, ka nahatonga ny isa ho 48. Izay ve ilay hoe efa zatra miandry ny ora farany vao mihetsika ny malagasy ? Sa niova ny kajy rehefa tafapetraka ny alakamisy ny dosien’i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT