Miha lalina ny kajikajy politika sy ny kajikajim-pifidianana ankehitriny. Kendrena hatao amin’ny volana martsa na ny aprily 2017 ny fifidianana solombavambahoaka,
mba ho vita alohan’ny fifidianana filoham-pirenena. Tanjona ny hananan’ny fanjakana HVM solombavambahoaka tena lany tamin’ny anaran’ny antokony fa tsy noforomporonina sy sadasada toy ny misy amin’izao. Afaka manao ny fanaony, toy ny tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy loholona ny fanjakana HVM amin’io, ka hatao ny kajy maloto rehetra hampandaniana ny kandidany.
Fahefam-panjakana
Mbola afaka ny hampiasa ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana, toy izay niseho tamin’ireo fifidianana teo aloha. Ny resaka fanatobahana vola tsy toko tsy forohana manginy fotsiny, izay efa fomba fiady nampiavaka ity antoko ity, eny fa na fankalazana fetim-pirenena etsy Mahamasina hanotrona ny filoha aza karamaina. Mazava ho azy fa hampiasaina hanindry amin’ny fampandaniana ny HVM ireo depiote ireo, rehefa tonga ny fifidianana filoham-pirenena. Kajy mifandraika amin’ny hanatanterahana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa ny hamizanana dieny izao ireo kandida atahorana amin’io fidianana filoha io amin’ny lafiny ara-bola. Sarotsarotra ho an’ny kandida sasany mantsy ny hoenti-manana ara-bola hoe sady hampiasa vola amin’ny propagandin’ny depiote no mbola hieritreritra ny filoham-pirenena, kanefa antoka lehibe hibatana fandresena amin’ny fifidianana filoha ny fananana depiote maro an’isa. Ny HVM kosa sokajiana ho matanjaka ara-bola, ary sahy manao fafy katrana izany mihitsy.
Nodinihana nandritra ny filan-kevitry minisitra omaly hariva teny Iavoloha ny volavolan-dalàna fehizoro 3 goavana.Eo aloha ny mahakasika ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny momba ny fifidianana filohan’ny repoblika ary ny momba ny fifidianana solombavambahoaka.Fandinihana izay midika fa hisy fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka ho tanterahana izany eto Madagasikara amin’ny taona 2018.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.