Politique

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

 

 

 Sefo fokontany 5 ato anatin’ny Boriborintany fahatelo no indray nalana tamin’ny toerany, ny alakamisy sy ny zomà lasa teo. Nambaran’ireo sefo fokontany nesorina, izay tsy nitonona anarana fa izay fokontany nahazoana vato kely tamin’ny fifidianana depiote farany teo, dia tsy maintsy nalana tamin’ny toerany. Eo koa ny filazana fa namofompofona Tim ireo sefo fokontany ireo. Araka ny fanazavana voaray, nahavita “projet lalankely” ohatra ny fokontany Ampandrana, izay tokony hanomboka amin’ny volana ambony io tetikasa io. Nahazoan’ny fokontany vola mitentina 80 tapitrisa Ariary ireo tetikasa rehetra ao amin’io fokotany Ampandrana io, nefa ny mpandimby ny sefo fokontany nalana no handray io vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka io, hoy ny fanazavana.  Sefo fokontany Ankorondrano andrefana, Antanimena, Ankadifotsy, Ampandrana ary Ankadifotsy Mandialaza ireo nesorina tamin’ny toerany ireo. Mbola misy tambikaramana  enim-bolana tsy noraisin’izy ireo koa, raha ny fantatra.  Marihana, fa tsy ny fokontany Ampandrana ihany no nanana io “projet lalankely” io, fa ireo fokontany dimy voalaza ireo anisan’ny nahazo izay famatsiam-bola hanaovana  ny tetikasa rehetra ao amin’ny fokontany izay.

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT