Politique

Kajikajy politika Hiverina indray ny tsena mora fa ho avy ny fifidianana


  • Zoma 27 Septambra 2019

Tsy manaiky ny fiakaran’ny vidim-piainana ilaina andavanandro ny fitondram-panjakana, ka nampiantso ny minisitry ny varotra sy ny indostria,

 

niaraka tamin’ireo mpamongady sy mpanafatra entana, mba hijery vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidin’entana. Nandritry ny filankevitry ny minisitra, dia hamory ireo tompon’andraikitra voalaza ireo, ny filoham-pirenena. Ankoatra izay, dia tapaka ihany koa fa haverina tsy ho ela ny tsena mora, mba hamonjena ny fahasahiranan’ny vahoaka madinika, izay tena sahirana. Tsy hihoatra ny 3.000 ariary ny litatra amin’ny menaka, tsy hihoatra ny 1.000 ariary ny kilaon’ny vary ary tsy hihoatra ny 2.000 ariary ny kilaon’ny siramamy. Vonjy tavanandro ihany izao famerenana ny tsena mora izao, hoy ny fanazavana, satria, ho avy tsy ho ela ny fifidianana ben’ny tanàna izay hatao ny 27 novambra ho avy izao, ka hotambatambazana amin’ny sakafo indray mipika sy mandalo indray andro ny valalabemandry amin’io fifidianana io. Tsiahivana fa mialoha ny fifidianana dia misy ny tsena mora, fa rehefa vita ny fifidianana dia tsy hita intsony io tsena mora io, raha tsy misy fifidianana manaraka indray. Efa tonga saina ny vahoaka Malagasy ankehitriny, ka tsy azo vidiana vary, menaka, siramamy, na zavatra hafa ny safidin’izy ireo, fa manana ny safidiny izy ireny. Ny vato arotsaka ao anaty vata fandatsaham-bato mangarahara ihany no mamaritra ny safidiny raha ny fanazavana hatrany.

Sitraka r.     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT