Ankatoky ny fanomanana ny fifidianana eto amin’ny firenena isika amin’izao fotoana izao
. Efa voafaritra fa hatao amin’ny taona 2018 ny fifidianana filoham-pirenena, saingy efa mivoaka ny vaovao fa kotrehina hahemotra indray, ka ny fifidianana solombavambahoaka no halefa mialoha. Tetikadin’ny HVM hampandaniana ny olony no ao ambadika, raha ny fanadihadiana natao. Hatao izay hampandaniana ny olony sy hahazoana maro an’isa toy izay natao tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Tsy manana solombavambahoaka amin’ny anarany rahateo ny antokon’ny fitondrana fa ireo depiote vitsivitsy avy amin’ny vondrona politika namadika palitao sy ireo lany tamin’ny anaran’ny tenany manokana no lasa vondrona miaraka amin’ny HVM, izay azo ambara ho vitsy an’isa mitaha amin’ireo avy amin’ny vondrona politika hafa sokajiana ho tsy miray hevitra amin’ny fitondrana. Hisy fiantraikany betsaka any amin’ny voka-pifidianana filoham-pirenena ny tsy fananana solombavambahoaka maro an’isa, ka izay no hikotrehana ny fanaovana fifidianana solombavambahoaka mialoha. Rehefa azo ny maro an’isa dia ireo olom-boafidy amin’ny anaran’ny HVM no hatao fitaovana amin’ny propagandy mba hanamorana ny paikady rehetra, ka hihena ny fandaniana ho an’ny antokon’ny fitondrana. Ireo olom-boafidy lany tamin’ny anaran’ny antoko ihany koa no hoterena hanao tsindry isan-karazany eny ifotony mba hananan’ny kandidam-panjakana tombondahiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Izay ilay kajikajy efa misy miketrika any ambadimbadika any ankehitriny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.