Politique

Kajikajy maloton’ny 2018 Efa mipetrapetraka ny an’ny HVM


  • Talata 20 Desambra 2016

Raikitra ny kajikajy politikan’ny HVM hanomanana ny fifidianana amin’ny 2018.

Tsy takona hafenina ny hevi-petsy hamotehana ireo mpifaninana atahorana toy ilay lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena izay mitory fanilihana. Eo ihany koa ny fananganana ilay fitsarana manokana momba ny heloka ara-ketra sy ara-toekarena teo anelanelan’ny taona 2002-2013 hanenjehana sy hisakanana ireo mpandraharaha hirotsaka hofidiana. Efa mandeha sahady ny famoriam-bahoaka sy ny fitetezam-paritra miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ka hatao izay hahazoana olona amin’ny fomba rehetra mba hilazana fa mbola manana olona ny HVM, toe-javatra izay nitondran’ny firaisamonim-pirenena na KMF/CNOE fanakianana omaly. Ny fahitana azy anefa dia ny mba hanamorana ny fanodikondinana ny voka-pifidianana hampandresena ny fitondrana ankehitriny no tanjona, ka hentina hanamarinana izany ny hoe mbola mamim-bahoaka izy ireo matoa mahavory olona maro. Hatramin’izay nisian’ity antoko ity anefa, dia olona nokaramaina ny ankamaroan’ny mpameno ny sehatra amin’ny famoriam-bahoaka ataony. Anisan’ireny ny tamin’ny kongresin’ny antoko ny 19-20 desambra 2014, ka nitaterana olona sy nizarana vola nanomboka tamin’ny 30 000 ariary ka hatramin’ny 80 000ariary arakaraka ny fiavian’ny olona niatrika ny kongresy. Mandeha ihany koa ny resaka fa nisy ihany koa ny fanambazana vola nandritra ny kongresim-paritry ny HVM tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo. Tsy takona nafenina ihany koa ny fanambazana 5 000ariary isan’olona isaky ny fetim-pirenena etsy Mahamasina, izay efa niparitaka tamin’ny haino aman-jery. Ny maro an’isa no efa milaza fa fahagagana ny mbola hiverenan’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny toerany saingy efa mandeha sahady ny kajikajy isan-karazany, izay mila fandraisan’andraikitry ny mpanara-maso sy ny sehatra iraisam-pirenena satria tsy kely lalana ny ratsy ka na any amin’ny firenena matanjaka toy ny tany Etazonia aza dia mbola nandrenesana resaka toy izany. 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT