Politique

Kabary tao Anosikely Manambara ny heviny ireo CST tanora


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Manoloana ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita tetsy Anosikely omaly talata nataon’ny filohany, ny jeneraly Dolin Rasolosoa, izay nilaza fa “manana andraikitra ny eo anivon’ny parlemantera ka mila firaisankina isika, ho avy ny tafio-drivotra sy “tsunami”, hoy izy, nefa isika eto vatobe miandry azy ka na isika ho rendrika na ho tafita ary aoka ny vahoaka no hitsara”, dia manana ny heviny ireo CST tanora nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety :

CST Ratefinannahary Emile Vazaha (TIM Raharinaivo) : hipetraka ho lalàna ny lalàna mikasika ny famotsoran-keloka fa ny fampiharana azy no tokony ho jerena. Mihevitra aho fa mety amin’ny tia tanindrazana rehetra ity lalàn’ny famotsoran-keloka ity, ka ny CFM izay hanao ny fampihavanam-pirenena no tena zava-dehibe ka tokony hatsangana haingana mba handinika ifotony hampisy ny fihavanana Malagasy. Misy zavatra efatra tsy maintsy handalovana hisian’izany fandriampahalemana maharitra izany : fifamelana nasionaly, fampihavanam-pirenena, fanonerana ireo niharam-boina ary ny fanarenana ny firenena.

CST Ranaivoson Désiré (filohan’ny PNJ) :  Ny zava-dehibe dia ny hoe : haorintsika amin’ny inona ny firenena : eo ambonin’ny tsy fahamarinana ve sa amin’ny fahamarinana ? Tsy misy fitoniana miorina eo ambonin’ny tsy fahamarinana. Izay ilay hoe “justice et paix” no miaraka, ka raha tiantsika ny ho tonga amin’ny tanjon’ny fandriampahalemana dia mila hampiharina ny fahamarinana. Ka mila miray hina ao anatin’ny fahamarinana  isika Malagasy.    

Nangonin’i Manohy


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT