Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II)
“Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.
Tena ilaina ny fanabezana fa io no antony mampirongatra izao asa ratsy rehetra izao eto amin’ny firenentsika”. Ho an’ny kaominin’i Soanindrariny manokana dia miharatsy indray ny lalana any an-toerana noho ny firotsahan’ny orana any nefa efa azo handehanana tsara ihany noho ny asa nataon’ny fokonolona. Azo atao tsara ny maka paoma, izay tena vokatra any an-toerana.
Morainjara Donit Florent (Ben’ny tanànan’i Bealanana Sofia)
« Ny zavatra fantatra dia misy fahavononana be eo amin’ny filoha Ravalomanana amin’ny hanarenana ny firenena amin’ny ho avy ka fakan-desona ny zavatra taloha amin’ny fahavononany hiaino ny hafa amin’izay fa tsy hitompo teny fantatra mihitsy ary ny fanajan’ny rehetra ny “discipline” napetraka no atao vaindohan-draharaha amin’ny fahaiza-mihaino. Nambarany fa tsy ilaina ny tsimatimanota eto amin’ny firenena. Ny fahamarinana sy fahaiza-manova zavatra raha fintinina no nambarany teo izay tena ankasitrahanay any Belanana tokoa”.
TIM Atsimo Andrefana
“Hisaorana ny filoha Ravalomanana lehibe ny nilazany tsy tamim-pihambahambana fa ny ao an-tsainy ankehitriny dia ny hanavotra ny mpiara-belona aminy tsy an-kanavaka ary hajanona amin’izay ny fanaovana lalan-dririnina amin’ny tsimatimanota”. Ny Tim Atsimo Andrefana tarihan’ny mpiara-mitantana RegTim Kapetoky Marcel sy Sazalahy Tsianihy dia miantso ny ComTim sy FokoTim, ny vehivavy ary ny tanora TIM sy izay rehetra manam-paniriana hanohana sy hanara-dia ny filoha Marc Ravalomanana mba ho tonga ao amin’ny Magro Toliara amin’ny sabotsy hariva izao fa hifampizara ny traikefa azonay tamin’ny fiofanana natrehana teny amin’ny Fokrifi Ilafy mikasika ny fananan’ny olona feno 18 taona zo hifidy amin’ny taona 2018 ka tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.