Politique

Julien Razafimanazato Fifidianana no vahaolana eto !


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Anisan’ireo handray anjara amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena ny ESD na Ezaka ho an’ny Soa iombonana sy ny Dinan’ny fampandrosoana izay tarihan’i Julien Razafimanazato, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha.

 Araka ny nambaran’ity farany dia tsy mbola mipetraka eto amin’ny firenentsika ny fikatsahana ny mahasoa fa ny mahafinaritra ihany. Manana soso-kevitra marolafy atolotra ho famahana ny olana ry zareo ESD. Nambaran’izy ireo fa ny fitadiavana vahaolana eken’ny besinimaro no tokony hotanterahana izay miompana amin’ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka tsivakivolo amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny fifidianana mangarahara ka hamelàna azy ireo haneho safidy malalaka tsy teriterena. Ny fifidianana solombavambahoaka no tokony halefa mialoha ho an’ny ESD satria io no ahafahana mamaritra ny maro an’isa ao amin’ny Parlemanta, ka ireo maro an’isa ireo indray avy eo no hamaritra ny praiminisitry ny fitondrana. Faritan’ny antoko politika rehetra ihany koa anefa ny andraikitr’io praiminisitra io mba hisian’ny firindran’ny fitondrana. Mialoha izay anefa dia ilaina ny fandrafetana tsara ny CENI, hoy i Julien Razafimanazato, ary tokony hanana solontena ao avokoa ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana. Nanindry mafy ny tenany fa tsy latsa-bato no hatao amin’io fotoana io fa tena fifidianana tokoa, hahafahan’ny rehetra maneho ny heviny sy ny safidiny tanteraka. Nanao antso izy ireo ny hivorian’ny mpanao politika rehetra amin’ny famaritana ny tetiandrom-pifidianana.

Niantefa mafy tamin’ny praiminisitra am-perinasa amin’izao fotoana izao avy eo ny teniny izay niantso azy io tsy hanenjika fahatany ny mpiasam-panjakana noho ny fanehoan-keviny sy ny firesahany aman’olona. "Aoka tsy hosakananareo hiresaka amiko izy ireo, fa arakaraka ny hanaovanareo izany no hanatonany ahy bebe kokoa", hoy hatrany i Julien Razafimanazato.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT