Fantatro tsara ny kandida Rina Randriamasinoro satria zandriko io, nivoaka tao amin’ny sekoly ambony ENAM toa ahy ihany koa,
ary fantatro ny fahaizany amin’ny maha tanora azy, ary eo ihany koa ny fahamatorany, hoy Atoa Julien Randriamorasata izay voatendry ho Talen’ny fampielezan-kevitry ny TIM (Tiako I Madagasikara). Porofo iray mivaingana ny andraikiny tao amin’ny kaominina Antananarivo tamin’ny fitantanana ara-bola. Tsy nisy fanampiana na “subvention” nomen’ny fanjakana tokony ho azy i Antananarivo. Vitan’i Rina ny nampandeha ny kaominina, vitany ny nandoa ny karaman’ny mpiasa, ary vitany ny mbola nanome “prime” isan-taona. Ny tena zava-dehibe dia ny fisian’ny trosabe hatrany amin’ny 40 miliara ariary ny kaominina napetraky ny teo aloha izay tsy hoteneniko ary izaho vavolombelona, hoy ity lefitry ny ben’ny tanàna ity. I Rina Randriamasinoro kosa niezaka nandoa ny trosa ary be dia be ny voaloany tao. Tena zava-dehibe izany, ka azo antoka io, olona manampahaizana io, tanora ary manana fanetren-tena lehibe tokoa io, hoy hatrany Atoa Julien Randriamorasata omaly teny Bel’Air nandritra ny fanolorana ny kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny TIM eto Antananarivo Renivohitra Rina Randriamasinoro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.