Tsy nitsitsy fitenenana ny mpahay diplomasia, Julien Radanoara, omaly, nanatsikafona ireo tsy fihetezan-javatra rehetra misy eto amin’ny firenena na eo amin’ny lafiny lalàna izany, fa indrindra teo amin’ny resaka zon’olombelona
. Efa lasa zo mahafaty (droit à la mort), hoy izy, no misy eto fa tsy zo hiaina intsony (droit à la vie). Mizara 3 ny zon’olombelona dia ny maha olom-pirenena sy maha olon-tsotra ary ny zo ara-politika. Ao anatin’izany maha olom-pirenena sy olon-tsotra izany ny hoe zon’ny malagasy ny miaina sy miasa amin’ny taniny kanefa dia hiarahantsika mahalala ankehitriny fa any Ankazobe sy ny manodidina any fotsiny, ohatra, dia tany efa ho 150 hektara izay niharian’ireo mponina an-taonany maro no nalana amin’izy ireo. Nahoana ny fifandraisana amin’i Tiorkia no tsy nandalo teny amin’ny Antenimieram-pirenena ? Mahafantatra ve isika hoe otrinona no totalin’ireo vola vaovao natonta? Fa maninona no izao akaiky fifidianana izao vao atao izany amin’io mbola mamono antoka koa ny manonta ilay 100 ariary? Na ny zo hiteny na haneho hevitra ary haneho fihetsiketsehana manoloana izany rehetra izany aza izao, hoy ny fanazavany, dia voatohitohina avokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.