Politique

Jules Etienne Rolland Hamerina ny AGOA, hamoha ny Tiko ?


  • Alarobia 23 Aprily 2014

Nandray ny toerany omaly ny minisitra misahana ny Taozava-baventy, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina sy ny orinasa madinika sy salantsalany, Jules Etienne Rolland.

 Niarahaba ireo mpiasa ny minisitra nialoha ny nilazany fa hamantatra sy hijery ifotony ny zava-misy ny tenany mandritra ity herinandro ity ary hamoaka ny fandaharanasany avy eo. Takiana kosa hoy izy, ny toe-tsainan’ny ekipa amin’ny fanatontosana ny asa. Zava-dehibe amin’ny fitondram-panjakana, hoy izy, ny ady amin’ny fahantrana, ka nilazany tamin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo fa ho vaindohan-draharahany ny famoronan’asa amin’ny alalan’ny fananganana indostria, fampiroboroboana ny sehatr’asa sy orinasa tsy miankina, ny orinasa madinika sy salatsalany.

Hojerena manokana ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny indostria malagasy, ireo orinasa vaventy miankina amin’ny fanjakana toa an’ny Secren sy ny Sirama. Fijerena manokana ny hetra sy ny haba izay ahafahana manampy ireo orinasa. Hojerena ihany koa ireo orinasa afakaba sy ny famerenana ny Agoa, sy ny fisokafan’ny Tiko ? Nohamafisiny fa efa an’arivony ireo orinasa te hiasa eto amintsika ka nilazany fa efa vonona izy ny hitondra ny traikefany amin’izany sehatra izany. Marihina fa kandida ho Filoham-pirenena i Jules Etienne fa nararaky ny CES1, ka ny Filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina no nisolo ny toerany tamin’ilay laharana faha 3 taorian’ny antsapaka nataon’ny CENIT tamin’ny fotoan’androny.

Dokotera ingahy minisitra ary nipetraka tany ivelany. Izany angamba no nahatazanana an’i Patrick Raharimanana (Vitatsika io) nanotrona ny famindram-pahefany. Ity farany izay injeniera havanana amin’ny resaka indostria ary mpahay manokana ny fitantanana orinasa. Mifankalala tsara rahateo izy mirahalahy ary samy nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihodinana faharoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT