Politique

Joseph Yoland “Tsy azo ihodivirana ny fanovan-drafitra”


  • Zoma 07 Septambra 2012

Atoa Joseph Yoland, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady komity mpikarakara ny atrikasa ara-toekarena tany Atsiranana sy nasionaly. Anisan’ny namolavola ny drafitra ara-bola sy ara-toekarena vaovao. Izy no vahiny anio, ato amin’ny SOKELA.

 Tia Tanindrazana (TT) : Nisy ilay fivoriambe momba ny fihariana “forum économique inter-régional” notontosainareo tany Antsiranana. Azonao fintinina ve ireo hevi-dehibe tapaka ? 

Joseph Yoland (JY) : Niraisain’ny faritra SAVA, DIANA ary Analanjirofo izay samy any amin’ny tendro avaratra iny atrikasa ara-toekarena iny. Samy naneho ny heviny momba ny olana mianjady eo amin’ny sehatry ny fitantana ny toekarana any an-toerana sy ny vahaolana mifandraika amin’izay ny vahoaka, ny tomponandraikitra ara-panjakana isan’ambaratongany, ny mpanao lalàna avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ary koa ireo raiamandreny. Mahatsapa mantsy izahay komity mpanomana fa tokony hojerena ifotony ny resaka toekarena eto Madagasikara satria raha resaka politika foana no atao dia ny mpitondra no miova fa ny rafitra kosa mijanona eo ihany. Mbola mitoetra foana amin’izay ilay hoe : “Madagasikara manankarena fa ny vahoaka mahantra”. Momba ny faritra avaratra manokana dia manana otrikarena maro izy toy ny “bois de rose”, lavanila, cacao, ylang ylang... Manana orinasa isan-karazany koa izy raha tsy hilaza afa-tsy ny Sirama, Secren, Pêcherie de Nosy-Be, Soavoanio ary ny Hasyma. Samy mandalo fahasahiranana avokoa anefa ireo rehetra ireo ary ny fikaroham-bahaolana famelomana azy ireny indray mba hanomezana asa ny vahoaka no nodinihana tamin’ilay atrikasa. Iankinan’ny toekarana sy ny fiainan’ny mponina mihitsy izao ny Secren izay reharehan’i Madagasikara rahateo. Raha sanatria mikatona io orinasa io dia maro no very asa ao Antsiranana. Efa misy ny telo miliara Ariary tokony ho azony hanarenana ny “radoub” na dobo fa ny ampahany amin’ilay vola ihany no mbola azony ka nojerena akaiky ny fototry ny olana. Nezahana nofantarina koa ny antony nampiatoana ny dingana fampanofana ny Sirama Nosy-Be amin’ny mpandraharaha satria najanona hatreo amin’ny fanokafana ny tolotra naroson’ireo orinasa maniry hitantanana azy izany. Nahoana ihany koa no tsy misy vidiny ny lavanila nefa isika no firenena mpamokatra azy voalohany ? Torak’izany koa ny “cacao” ao Ambanja izay tsara kalitao indrindra erantany nefa tsy misy ny ozinina mpanodina akory ao an-toerana. Dingana voalohany iny fa misy koa ny finiavana hanatontosa atrikasam-pirenena any Fianarantsoa araka ny fangatahan’ireo parlemantera avy any an-toerana izay nanatrika ilay tany Antsiranana. Ny fandrosoan’ny firenena mantsy dia ny fandrosoan’ny faritra rehetra.

TT : Rahoviana indray io dia inona no tena hampiavaka izay atrikasa mahasahana ny firenena iray manontolo izay ?
JY
: Ao Fianarantsoa no tontosaina ilay izy satria mahatsiaro ho tara raha oharina amin’ny faritra hafa ry zareo nefa manana otrikarena betsaka raha tsy hilaza afa-tsy ny volamena, ohatra. Mba hialana amin’ny fanatanterahana atrikasa isam-paritra na isam-paritany anefa dia samy handefa solontena any avokoa ny faritra rehetra. Raha ny hevitry ny komity mpanomana dia aorian’ny JMJ no hanapahana ny daty ary miankina amin’ny fahavononan’ireo tomponandraikitra any Fianarantsoa izany.

TT : Ao anatin’ny tetezamita izao izay fantatra fa tsy manam-bola ve no hanaovana ireo fanarenana be dia be eo amin’ny lafiny toekarena ireo ?
JY :
Araka ny voalazanao dia tsy manam-bola ny fanjakana fa tsy vao izao akory izany toe-javatra izany. Niaina tamin’ny fanampian’ny mpamatsy vola sy ireo firenena namana foana ny fanjakana hatramin’ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Tsy izay anefa no tanjona. Tsy ny fahazoana fanampiana tompoko no midika fahaiza-mitantana fa ny fahaizana mamorona harena mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka. Mila ampitomboana ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana amin’ny alalan’ny fanomezan-danja sy fampirisihana ny sehatra tsy miankina. Rehefa betsaka ny loharanom-bola dia afaka mametraka ny “caisse de sécurité sociale” ny fanjakana. Ny firenena mandroso rehetra dia manana io tahiry io ahafahan’ny olona mitsabo tena ohatra. Koa raha manontany ianao hoe amin’izao tetezamita izao ve no hanaovana izany dia valiako hoe misy fanombohany avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy manana vinam-piarahamonina ny mpitondra izay ho avy eo kanefa raha teren’ireo mpamatsy vola hanaraka ny sitrapony izy dia tsy afaka hanatanteraka ilay fandaharanasany. Izay no mahatonga ny mpitondra eto amintsika apetraky ny vahoaka dia izy ihany no manala azy avy eo satria tsy tanteraky ny mpitondra ny fampanantenana nataony. Io fikasan’ny firenena vahiny mbola hanjanaka io amin’ny alalan’ny fampindram-bola io no mila esorintsika. Mila fahavonona ara-politika anefa izany ary tokony hatomboka amin’izao tetezamita izao. Re fa misy volamenantsika 500 taonina no lasa any Dubai kanefa raha sahintsika ny mitazona azy tsy aondrana any ivelany fa apetraka ao amin’ny Banky Foibe dia lasa manandanja be ny Ariary. Rehefa hampindram-bola anie ireo mpamatsy vola ireo dia takiany ny fampihenana ny lanjam-bolantsika e ! Aleo amin’izao tetezamita izao no anaovana izany fanovana izany ka ny rehetra no miara-misalahy satria tsy misy mahazo tombony amin’izao rafitra napetraky ny mpanjanaka izao na ankolafy inona na ankolafy inona. Mila sahy ny mpanao poltika mijery miaraka ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

TT : Ianareo komity mikarakara ity resaka ity ve nefa manana hery na tanjaka hanerena ny mpitondra sy ny vahoaka hankato ny hevitrareo ?
JY :
Mino izahay fa tia tanindrazana ny mpitondra rehetra ao anatin’izao tetezamita iaraha-mitantana izao, izany hoe tena mitsinjo ny vahoaka. Matoky izaho noho izany fa ho resy lahatra ny fahefana mpanatanteraka manoloana ireo hevitra arosonay. Raha mihazohazo mbola hitazona ilay rafitra mahazatra “gardien du système” anefa ry zareo dia ho hitan’ny vahoaka eo. I China sy Brezila izao nahasahy nanova dia mandroso ry zareo ankehitriny. Koa inona no andrasantsika nefa manana ny otrikarena tsy latsadanja amin’ireo firenena ireo isika.

TT : Izy ity ihany ve ilay fanovan-drafitra ara-toekarena nolanian’ny CST sa hafa mihitsy ?
JY :
Rehefa niverina teto aho tamin’ny taona 2009 dia nahatsapa fa mila mifampiresaka amin’ny teknisianina satria tsy mahomby intsony ny resaka politika. Nifandinika tamin’ny teknisianina maro ny tenako tamin’izay. Tao ny mpahay toekarena, ny manampahaizana momba ny mponina, ny mpanao antontanisa sy ny maro hafa ka nanangana ny komity teknika teo anivon’ny HAT ary namoaka boky mitondra ny lohateny hoe : “Madagascar, le changement”. Tsy resaka olona no resahana amin’io fanovana io fa fanovan-drafitra ara-bola sy ara-toekarena. Aminay mantsy dia tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny maro an’isa ny rafitra misy fa olom-bitsy ihany no mahazo tombony aminy. Ny foto-kevitra izany dia hoe: tsy mila baikoin’ny avy any ivelany intsony isika. Efa niasa teto foana anie ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena fa aiza nefa isika izao. Lany teo anivon’ny CST ny fanapahan-kevitra “Résolution 001” momba io drafitra vaovao io ary haroso ny governemanta havadika tolo-dalàna sy hatao lalàna mihitsy.

TT : Inona avy ary ireo teboka goavana voalaza ao anatiny ?
JY :
Raha atao bango tokana dia tsy ekena intsony ny fanenan-danja ny Ariary sy fanondranana ny volamena. Ankoatra izay dia tsy maintsy ahodina eto an-toerana avokoa rehefa akora fototra rehetra fa tsy aondrana amin’izao fotsiny. Betsaka kokoa ny vola miditra amintsika amin’izay sady mahazo tombony koa ny sehatra tsy miankina. Ny fitsanganana orinasa rahateo dia miteraka famoronana asa. Tsy vitan’izay fa mitombo ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ka ho azo tanterahana tsara ny tetikasa “caisse de sécurité sociale”. Momba ny fahamarinan-toeran’ny Ariary raha oharina amin’ireo vola vahiny dia mila ovaina tanteraka ny fomba fiasan’ny MID “Marché Interbancaire de Devises” satria lalaovin’ireo banky vahiny fotsiny izy io ka ry zareo ihany no mifandamina mamaritra izay sandan’ny Ariary. Mila manana bankim-pampandrosoana koa isika fa banky ara-barotra avokoa ireo misy amin’izao ireo.

TT : Avadika ny resaka. Manjaka tokoa ny tsy fandriampahalemana any atsimo. Misy mpanao politika milaza fa sahala amin’io no fiatombohan’ny fisaraham-bazana tamin’ny firenena sasany tany Afrika. Inona ny hevitrao ?
JY :
Voalohany dia tiako ny misaotra ny filohan’ny CST namory ny filohan’ny vaomiera rehetra eto anivon’ity andrimpanjakana ity handinika io raharaha io. Amiko dia ny tsy fahampian’ny vola ao am-paosin’ny vahoaka no fototr’io toe-draharaha io. Lasa manita-tsaina mangalatra sy mandrava namana ny sasany noho izany. Ny fivahan’ny olana ara-pihariana no tena zava-dehibe satria rehefa tsy ampy ny ampelatanana dia misy foana ireo tratran’ny fakam-panahy.

TT : Farany, eo amin’ny resaka politika. Saika efa nolalovanao avokoa ny antanatohatra rehetra. Inona indray ny dingana manaraka ?
JY :
Efa 18 taona tokoa izay no naha tao anatin’ny sehatra fitantanan-draharaham-panjakana ahy. Efa mpanolotsaina sy ny filohan’ny filankevitry ny Kaominina Nosy Be ny tenako ary nitana andraikitry ny mpanolotsaina teo anivon’ny Faritany koa talohan’ny naha PDS lefitry ny faritany. Taty aoriana dia efa Loholon’i Madagasikara koa aho, HAT ary izao CST izao. Ho avy ity ny fifidianana ka ankiniko amin’ny vahoakan’i Nosy Be sy ny vahoaka Malagasy hoe inona no hataoko. Izaho kosa anefa dia mametraka foana fa tsy azo ihodivirana io fanovan-drafitra nolazaiko teo io hitondra fampandrosoana. Asa raha tsapan’ny vahoaka izay hevitro izay. Efa maro mantsy izay fanjakana nifandimby izay fa tsy nitondra vahaolana.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT