Politique

Joseph Yoland Ny fitiavan-tanindrazana no hahatafavoaka antsika


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Tsy misy afa-tsy ny fitiavan-tanindrazana asehon’ny rehetra no hahatafavoaka antsika amin’ny krizy sy hahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena, hoy Atoa Joseph Yoland, filohan’ny vaomieran’ny fizahantany sy ny asa tanana eny anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

 Tsy voatery hitovy hevitra daholo ny mpanao politika, hoy izy. Tsy voatery ho ao anatin’ny antoko iray ihany koa fa ho ao anatina vondrona isan-tsokajiny. Izay dia efa mariky ny fitiavan-tanindrazana fa raha ny fanaovana politika fitiavan-tseza fotsiny dia tsy hahomby velively. Tena fitiavan-tanindrazana, hoy ihany izy, ny nataon’ireo tsy mitovy hevitra aminay hatrany am-boalohany, dia ny ankolafy Ravalomanana, niditra ao anatin’ny rafitra hiaraha-mitantana ity firenena ity hamoahana ny firenena amin’ny krizy mianjady aminy. Henjana ny fifanazavana ao anatin’izany saingy henjana amin’ny heviny ho fampandrosoana marina an’i Madagasikara.

Nambaran’Atoa Joseph Yoland koa anefa fa raha tsy miova ny rafitra ara-toekarena sy ara-bola eto amintsika ka hatsangana eto ny bankin’ny fampandrosoana marina dia tsy ho afaka ny firenena, tsy ho afaka ny vahoaka. Ary raha tsy afaka manodina ireo harem-bentsika eto an-toerana isika vao hanondrana any ivelany dia mbola hiverimberina ny krizy mahazo antsika hatramin’izao ! Tahaka izany koa, ny resaka fizahantany amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny tenako eo anivon’ny vaomiera misahana izany ao amin’ny CST dia sahiko ny milaza fa raha tsy misy koa ny fiaingana ifotony amin’ity resaka ity tsy hisy ny fampiroboroboana ny sehatra eto. Koa mila fanentanana manokana ny fampirisihana ny mpandraharaha tsy an-kanavaka hiroso amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT