Fanehoam-pihavanana no nanombohan’i José Vianey ny fandraisam-pitenenana tetsy amin’ny Hotel Paon d’or Antanetibe Ivato ny sabotsy lasa teo.
Nanao sesitany ny tenany izy nandritra ny taom-pitondran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana saingy namela heloka azy satria niditra lalina tamin’ny fivavahana nandritra ny naha sesitany azy. Nambarany fa nanova ny fiainany ny Tompo ary vonona ny hifamela heloka sy hifandray tanana amin’i Marc Ravalomanana izy. Taoriana’io dia nanambara ny maha kandida filoham-pirenena azy i José Vianey, filoha nasionalin’ny antoko RAM na Rodobe ho an’ny ho Avin’i Madagasikara. Manampahaizana manokana momba ny fiarahamonina izy. Efa misy ny vina maty paika hotanterahina raha toa ka lany ho filoham-pirenena i José Vianey ary vonona hanala ny fahantrana lalina mihanaka manerana ny nosy. Tsy maintsy atao ihany koa ny fampihavanam-pirenena raha ny nambarany. Araka izany, haka andraikitra hanangana rafi-panjakana iray antsoina hoe “Conseil des anciens presidents” izay hivondronan’ny filoham-pirenena teo aloha mbola velona eto amintsika mba hakan’ ny filoham-pirenena am-perinasa hevitra momba ny zava dehibe iankinan’ny aim-pirenena izy. Ho Laharam-pahamehana ihany koa ny sosialim-bahoaka na eo amin’ny fivelomana ara-tsakafo na eo amin’ny fitsaboana sy fampianarana. Tsy ekena ny fitsaboana sy ny fampianarana hanilikilika ny zana-bahoaka tsy ampy fidiram-bola, hoy ny filohan’ny RAM. Mialoha ny nandraisan’i José Vianey fitenenana dia nilaza ny momba an’ity kandidan’ny antoko RAM ity Rasolo André ary nanambara fa “olom-baovao i “Vijo” ary efa andrasantsika handresy amin’ny fifidianana satria maro amintsika Malagasy no miandry olom-baovao”. Maro be ireo mpanao politika, mpikambana anaty sendika sy avy amin’ny firaisamonim-pirenena tazana teny amin’ny hotely Le Paon d’Or tamin’io sabotsy io toa an’i Zazah Ramandimbiarison, efa praiminisitra lefitra nandritra ny fitondrana Ravalomanana ary efa niara-niasa ihany koa tamin’i Andry Rajoelina nandritra ny tetezamita. Azo antoka fa tsy tongatonga ho azy izany, satria fantatra tsara fa anisan’ny teknisianina tsara fifandraisana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izy, mahalala tsara ny zava-misy rehetra ara-toekarena eto. Somary nisavorovoro nandritra ny faran’ny herinandro iny ireo etamazaoro politika misy eto satria maro no nahatsapa fa kandida mety hanova tanteraka ny kajy sy tombantombana rehetra amin’ny fifidianana filoha ho avy eo i Vijo ary mety izy ilay hanao “surpise” rehefa variana mifanenjika ireo kandida hafa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.