Politique

Joaquim Chissano Manery ny hisintahan’ireo nanongam-panjakana


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Tokony hisintaka avokoa ireo kandida rehetra voakasiky ny fanovan-drafitra tsy ara-dalŕna tany Madagasikara, hoy i Joaquim Chissano raha nivahiny tao amin’ny Radio France Internationale izy ny faran’ny herinandro teo.

 Ny dikan’izany dia kandida maromaro no tokony hitsoaka an-daharana. Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo olona miisa 109 voasazy nanomboka tamin’ny martsa 2010 ireo olona ireo. Lohalaharana ao amin’io lisitra io i Andry Rajoelina, manampy azy ireo olon’ny FAT niaraka nanongam-panjakana taminy mivantana na an-kolaka sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy rehetra. Ka inona moa izany fa raha ny hevitry ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, mety hanara-dia tsimoramora eo koa ny fikambanana iraisam-pirenena hafa, dia mitsoaka an-daharana daholo ireo kandida sokajiana fa lehibe ary novinavinaina fa mety hofidiana ho filohan’ny Repoblika faha-4. Midika koa izany fa fifidianana tsy tena demokratika satria tsy mampiseho ny tena safidin’ny maro an’isa marina no ho avy eo, ary raha izany tokoa no mitranga dia olona tsy manana fototra politika matanjaka no ho voafidy eo, ka mety ho mora haongana indray avy eo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT