Ny tatitra nataon’i Joaquim Chissano teo anivon’ny Troika-SADC no fototr’izao savorovoro mitranga ankehitriny izao.
Milaza izy fa misy tsy fanarahan-dalàna tao ambadiky ny filatsahan-kofidian’ny kandida isany Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka sy ny fanapahan-kevitry ny CES nankato ny ny dosien’izy ireo. Lehiben’ny iraka mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara i Joaquim Chissano. Ny tatitra ataony no henoin’ny mpaniraka azy dia ny SADC, izay efa nanankinan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandaminana ny raharaha eto, ao anatin’ilay hoe : «principe de subsidiarité» dia io manara-drenirano io ny fanambarana rehetra mivoaka. Hiverina eto i Joaquim Chissano, tokony ho amin’ny herinandro ambony io ary dia ho azo antoka fa ho tototry ny fanontaniana sy fangataham-panazavana mikasika ny tatitra nataony ka nilazany fa tsy ara-dalàna ny filatsahan-kofidian’i Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka.
Ny 25 aprily 2013 itsy voalohany no nanatitra ny filatsahan-kofidiany teo amin’ny CES. Tsy nisy resabe na fanoherana. Tonga nametraka ny azy koa i Didier Ratsiraka ny 27 aprily, tsy nisy resabe, fa nony injay namoaka ny lisitr’ireo kandida ofisialy ny CES ka nipoitra tao ny anaran’i Andry Rajoelina nefa tsy anisan’ireo nanatitra filatsahan-kofidiana tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna fa velona ny kotaba eran’ny tanàna ary tonga amin’izao hoe tokony hisintona ny filatsahan-kofidiany miaraka amin’i Andry Rajoelina i Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Ka izay mahametimety sy hamalifaly an’i Andry Rajoelina ve izany no hatao eto, dia ny firenena iray manontolo no asavorovoro ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.