Politique

Joaquim Chissano Hamoha ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT ?


  • Talata 16 Aprily 2013

Miditra amin’ny andro fahatelo amin’ity anio ity ny fitsidihana arahin’asa ataon’ny lehiben’ny iraka mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara, Joaquim Chissano.

 Izao indray moa izy vao tonga eto hatramin’ny niresahana ny tondrozotra. Nandrasany ho efa tafajoro avokoa rahateo ireo rafitra voatondron’ny tondrozotra vao tonga hanao tombana ny firoson’ny famahana ny krizy ity filoha mozambikanina teo aloha ity. Efa nifandimby nihaonany sy nohenoiny omaly ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer sy ny minisitry ny raharaham-bahiny sady kandida filoham-pirenena Pierrot Rajaonarivelo.

Niandry moa ny rehetra hoe hanafaingana ny fiverenan’ny sesitany politika, indrindra Atoa Marc Ravalomanana, araka ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra, ve ny fahatongavany saingy efa nanambara ofisialy moa Atoa Marc Ravalomanana fa dia hiandry aorian’ny fahavitan’ny fifidianana izy vao hody. Ny amiraly Ratsiraka rahateo efa ho avy ato anatin’ny 48 ora, koa dia any amin’ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT tato anatin’ny tetezamita izany no andrasana amin’i Joaquim Chissano, ity farany izay milaza fa hanao tatitra ny diany teto Madagasikara eo anoloan’ny fivorian’ny minisitra mandritra ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina hatao any Dar-es-Salaam renivohitr’i Tanzania amin’ny herinandro ambony.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT