Voahitsy ny tondrozotra ary neken’ny ankolafy politika mpifanandrina, izay nohamafisina tamin’ny alalan’ny sonia ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 17 septambra 2011 tao amin’ny Le Paon d’Or, Antanetibe Ivato, teo anatrehan’ny iraky ny Troika ny SADC.
Ireto farany izay ny fivoriamben’ny filoham-pirenena SADC tany
Raha ny fiheveran’ity filoha mozambikanina teo aloha ity dia amin’ny maha DJ sy mpitondra tanora an’i Andry Rajoelina no tsy ankatoavan’ireo mpitondra eo anivon’ny SADC azy. Nokianiny mihitsy aza moa ry zareo Botswaney fa tsy namelatra karipetra mena ho an’i Andry Rajoelina. Nanongana an’i Mouammar Kadhafi, izay 42 taona teo amin’ny fitondrana tany Libia, i Abdoula Jalil, hoy i Joaquim Chissano, nefa dia nahazo fankatoavana ny tetezamita tarihiny. Tsy nisy valaka amin’izany ny nataon’i Andry Rajoelina, tamin’ny nanilihana an’i Marc Ravalomanana, ka fialonana sy fihatsaram-belatsihy ny fandavana tsy hankato ny fitondrany, hoy ihany ity Mozambikanina ity, ka niantsoany ny SADC handinika ny fanapahan-keviny mikasika an’i Madagasikara.
Mipetraka eto ny fanontaniana manoloana izany. Inona no nitranga teny Ivato tamin’iny heriny anio, raha teo i Joaquim Chissano ? Ny azo antoka aloha dia tsy misy mpihaino izy ary tsy ilaina intsony ao anatin’ity dingana famahana ny krizy eto Madagasikara ity. Toa inian’i Chissano hadinoina fa izao tontolo izao, indrindra fa ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, dia niray feo fa fanonganam-panjakana no niseho teto tamin’ny 2009, ka tompon’andraikitra tamin’izany i Andry Rajoelina, fihetsika izay nomelohin’izao tontolo izao ary mbola nohamafisina tamin’ny nandraisan’ny CPS sazy mihatra isam-batan’olona tamin’ny martsa 2010. Niisa 109 izy ireo no voakasin’io sazy io, ka lohalisitra amin’izany i Andry Rajoelina. Ankehitriny anefa i Joaquim Chissano milaza fa tokony hoekena ny fitondran’izany mpanongam-panjakana izany, nefa izy dia mahalala tsara ny votoatin’ny fifanarahan’i
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.