Eo anatrehan’ny fahavoazana maro navelan’ny rivodoza tany atsimo dia maneho fiaraha-miory amin’ireo namoy ny havana sy very ary potika fananana ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Manao antso avo hitondrana am-bavaka ireo vahoaka any an-toerana sy ny fandraisana anjara amin’ny “voin-kava-mahatratra” koa ny tenany. Nohararaotiny ny fotoana nanaovany ity fanambarana ity hilazana fa tsy fotoan’ny fifandroritana intsony izao fa fanehoana firaisankina sy fampitoviana ny hevitra satria efa antomotra ny fivahan’ny krizy. Efa azo rahateo, hoy izy ny fankatoavana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fanoloran’ireo masoivoho vahiny ny taratasy manendry azy ka miankina amin’ny Malagasy sisa ny ambiny. “Aoka tsy havela ho rendrika tanteraka ny firenena vao hihetsika”, hoy Rasolosoa Dolin namintina ny heviny.
Momba ny hevitry ny SADC mitaky ny fanitarana ny famotsoran-keloka amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana dia nambarany fa tsy tokony hokitihana intsony ilay lalàna izay efa lany teny anivon’ny parlemanta. Nasiana resaka koa ny fanenjehana ny profesora Alain Tehindrazanarivelo noho ny fanodinkodinam-bola sy ny fananan’ity farany “immunité parlementaire” na tsia. Niaiky izy fa samy manana ny fandikany ny lalàna ny tsirairay satria ny Bianco dia nanizingizina fa tsy manana io tombontsoa manokana io ny CST. Amin’ny maha mpisolo toerana ny loholona ny CST mandritra ny tetezamita anefa dia manana io zo tsy azo enjehana noho ny teny nataony io ny mpikambana CST, anisan’izany ny profesora Tehindrazanarivelo raha ny hevitry ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Matetika no manao antso ity farany, fa ny fanontaniana dia ny hoe misy mihaino ve izy?
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.