Politique

Jly Rasolosoa Dolin Manomana ny hoaviny ara-politika


  • Talata 19 Jona 2012

Hatramin'ny naha filohan'ny Filankevitra ambonin'ny tetezamita (CST) azy dia hita fa manomboka miova fa tsy tahaka ny an'ireo mpanao politika niara-nitolona taminy, tamin'ny 2009 ny fomba firesaky ny jeneraly Rasolosoa Dolin.

 Tsy mitratrevatreva tahaka ny ankamaroan'ireo mpanao politika mpomba an'i Andry Rajoelina ity jeneraly misotro ronono ity fa dia mitandrina fatratra amin'izay teny aloaky ny vavany. Farany teo izao dia izy no hany olon'ny ankolafy Rajoelina nilaza mahitsy fa mankasitraka ilay fihaonan'Atoa Rajoelina sy Ravalomanana. Na dia nisy ihany koa aza ny olana teo amin'ireo olon'ny ankolafy Ravalomanana tao amin'ny CST, dia nikaroka hatrany izay hahafahana mifampiresaka ny jeneraly Rasolosoa Dolin fa tsy mba be vava na nandrangaranga fanasaziana tahaka ny fanaon'ny manampahefana sasany. Ny niafarany moa dia neken'ny rehetra fa atao fito fa tsy enina ny filoha lefitra, koa dia nahatafiditra olona iray ny ankolafy Ravalomanana tamin'ny alalan'ny Maitre Razafimanantsoa Hanitra. Manodidina ny resaka fifidianana indray, dia tsy mba anisan'ireo maika sy dodona hahafantatra ny daty ny filohan'ny CST, fa manantena kosa fa efa eo ny CENIT.

Mbola hisy ny fifampidinihana ka mba hamoaka fehin-kevitra matotra irosoana any amin'ny fifidianana izany. Raha tsorina ny resaka dia tsy manaraka an-jambany an'i Andry Rajoelina ny jeneraly Rasolosoa Dolin fa tena mipetraka amin'ny maha filohana andrim-panjakana sy maha raiamandreny azy. Ao anatin'izao fitondrana tetezamita izao tokoa mantsy dia ny CST no solon'ny Antenimierandoholona, izay heverina fa misy ireo olobe sy olon-kendry eto amin'ny firenena.

Mampatsiahy ny fomba fiasan-dRajemison Rakotomaharo, filohan'ny Antenimierandoholona tamin'ny fitondrana teo aloha, ny filohan'ny CST amin'izao fotoana. Mikaroka izay tena hampihavana ny rehetra fa tsy mandany andro amin'ny fandrafetana paikady politika haminganana ny hafa tsy mitovy firehan-kevitra amin'ny tena. Tsara homarihana fa efa hatramin'ny 2008 no niara-niasa tamin'i Andry Rajoelina tao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny jeneraly Dolin, mpitari-tolona mafana fo teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey ny tenany, ary niaraka tamin'i Monja Roindefo sy Sareraka nitarika ny olona niakatra teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009. Misy ny milaza fa miezaka ho mamy hoditra amin'ny vahoaka mpifidy sy ny mpanao politika rehetra ny filohan'ny CST satria manomana ny hoaviny ara-politika, ary tena mbola mikendry ny ho filohan'ny Antenimierandoholona any aoriana any.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT