Rehefa mahazo seza dia hafa mihitsy ny fomba firesaka.
Rehefa tsy nanana andraikitra teo anivon'ny tafika ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien taorian'ny nanalana azy tsy ho Cemgam ny taona 2009 dia tsy nanan-kolazaina mihitsy teo amin'ny fihetsiky ny miaramila. Omaly anefa dia nilaza ny tenany fa nandika ny fitsipika mifehy ny miaramila mihitsy tamin'ny alalan'ny tsy fanekena baikon’ny lehibe ireo manamboninahitra teny amin'ny BANI ireo ka henjehin'ny lalàna izy ireo noho izany.
Efa nisy, hoy izy ny fiantsoana nataon'ny lehiben'ireo manamboninahitra teny amin'ny BANI ireo nandritra ny andro maromaro kanefa tsy nanaiky izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy mandalo “Conseil d'enquête” izy ireo. Ririnin-dasa tsy tsaroana ve ny zava-nisy hitam-poko hitam-pirenena tao amin'ny CAPSAT ny 8 martsa 2009. Horakoraka no nanaovan'ireo miaramila ny Cemgam tamin'izany fotoana. Nihoatra lavitra noho izany ihany koa ny tranga nisy teny amin'ny ministeran'ny Foloalindahy izay namalian'ireo miaramila ampahibemaso ny baikon'ny amiraly minisitra tamin'izany fotoana. Anisan'ireo nitarika ny fiokona teny amin'ny CAPSAT ny jeneraly Ndriarijaona André (ankehitriny) io volana martsa 2009 io.
Ny fanontaniana dia hoe anisan'ireo efa nampandalovina “Conseil d'enquête” ve ny tenany satria tsy nanaraka ny baikon'ny lehibeny ihany koa tamin'izany fotoana ? Tsy ho vita mora mihitsy ity olana eo anivon'ny Tafika ity raha tahaka izao no famahana ny olana ataon'ny lehibe. Misy ny mizàna tsindrian'ila. Ny tokony ho fantatry ny be kintana rehetra eo anivon'ny Tafika dia tsy maintsy hisy ny fotoana tsy haha eo azy ireo intsony fa ireo zandry komandà sy kolonely ireo no hitantana indray ny Tafika. Izao ve no lesona omena azy ireo ankehitriny ? Mikasika ilay fanambarana nataon'ny “sous-officier” indray dia nilaza ny minisitry ny Fiarovana fa tsy izy ireo no nanao iny fa olon-kafa mihitsy. Ny nahagaga anefa dia ny tenany ihany no nilaza indray fa efa voavaha ny olana mikasika ny tombontsoan'ny tafika. Io tombontsoa io anefa dia voasoratra tao amin'ilay fanambarana. Sadasada manan-tsoratra avokoa ny zava-misy rehetra eo anivon'ny Tafika amin'izao fotoana izao. Ny fanomezana galona jeneraly olom-bitsy tao anatin'ny roa taona monja nitondrana ny galona teo aloha moa dia efa mampanampi-maso ny maro eo anivon'ny miaramila mihitsy. Izany rehetra izany dia homamiadana eo anivon'ny tafika avokoa. Ho hita eo ny tohin'ny tantara.
Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.