Efa mamay be ny toe-draharaha, mahery vaika ny fimenomenomana sy ny hatezerana koa dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ka natao sorona sy nesorina ny tale jeneralin’ny Jirama Nestor Razafindroriaka.
Efa mamay be ny toe-draharaha, mahery vaika ny fimenomenomana sy ny hatezerana koa dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ka natao sorona sy nesorina ny tale jeneralin’ny Jirama Nestor Razafindroriaka. Ny minisitry ny vola teo aloha ary mpiasa ambony tao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola sady akaiky ny filoha Rajaonarimampianina dia Atoa Rasoloelison Lantoniaina no nasolo azy. Ity farany moa dia olona nandalo teo anivon’ny CEDS ihany koa. Nosoloina manontolo ihany koa ny filankevi-pitantanana ka 12 mianadahy no mpikambana vaovao dia Rtoa sy Atoa isany Befeno Todimanana Hyacinthe misolotena ny fiadidiana ny repoblika, Ranivoarisoa Herilala avy eo anivon’ny primatiora, Feno Pierre Jean, avy ao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, Raseliarison Mamiarivao Julien, misolotena ny minisiteran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Razanakoto Norbert, avy ao amin’ny minisiteran’ny angovo, Lemanarina Jean Christophe, minisiteran’ny toekarena sy ny tetipivoarana, Rasamoely Jean Jacques Nambinina, avy ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, Rafidy Onisoa Josielle, misolotena ny minisiteran’ny indostria, M Rajaonera Fredy, solontenan’ny sehatra tsy miankina, Haja Maminirina sy Andriambolonosy Robinson Jean Douglas, solontenan’ny mpiasan’ny Jirama ary Eric Randrasana noho ny fahaizany manokana. Voailika izany aloha teto Atoa Rachidy Mohamed, mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ary filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, tranga izay toa manamarina fa manomboka manadio ny manodidina azy ny filoha satria tsy te ho ratsy imasom-bahoaka.
Toky R sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.