Politique

Jirama Mitohy ny delestazy, ny mpitondra migalabona


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Raha nambara fa tamin’ny sabotsy 03 septambra teo no tokony hifarana ny fahatapahan’ny herinaratara dia mitohy hatramin’izao izany.

 Voalaza fa noho ny fanamboarana milina iray ao Mandroseza no anton’ny delestazy. Vita tamin’ny herinandro ny fanamboarana, kinanjo hatramin’izao dia tsy vitsy ireo diso fanantenana fa dia mbola nitohy ny fahatapahan-jiro. Etsy andaniny, mailaka èry ny Jirama manapaka ny jiron’ireo tsy nahaloa ara-potoana ny faktiora. Ny fanjakana anefa trosaben’ity orinasa ity mandehandeha fa toa tazanina fotsiny izany. Vola be am-polony miliara ariary any izany. Ankoatra izay, araka ny vaovao notaterin’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto an-drenivohitra dia ny Jirama no mandoa ny fandaniana nataon’ny minisitra iray, mba higalabonany tany am-pialantsasatra. Tafakatra 200 tapitrisa ariary izany, araka ny tatitr’io gazety io. Raha ny kabary ofisialy anefa dia andron’ny fitsitsiana izao andron’ny FAT izao.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT