Politique

Jimmy ho ben’ny tanànan’Alasora Tsy handiso fanantenana ny vahoaka, hoy Ravalo


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Hanohana amin’ny fampandrosoana an’Alasora miaraka amin’ny kandida Jimmy andriantsoa i Marc Ravalomanana. Tonga teny amin’ny Kaominina Alasora,

 

 

 nanolotra ny kandida ho ben’ny tanàna izay natolotry ny antoko tiako I Madagasikara ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Atoa Ravalomanana Marc ny faran’ny herinandro teo. Niainga teo ankadindratombo ny filaharam-be izay nataon’ireo fiara An-jatony nitondra ireo mpanohana ny kandida laharana faha-7 Atoa Jimmy Andriantsoa izay nialohavan’ny fiara nitondra ny filoha teo aloha Ravalomanana sy ny kandida ben’ny tanàna ao Alasora ary ny lohalisitry ny mpanolotsaina izay mitondra ny laharana faha-5. Nilaza manoloana ny vahoakan’Alasora ny filoha Ravalomanana fa tsy manana kandida afa tsy izay natolotry ny TIM ny tenany dia i Jimmy sy ny lisitry ny mpanolotsaina izay tarihin’i Benja. Misy antony, hoy izy matoa i Jimmy no natolotry ny TIM. Voalohany amin’izany dia kandida tanora ny tenany. Azo antoka fa ho tanteraka avokoa ireo fandaharan’asa izay natolony ho an’ny vahoakan’Alasora. Ny kandidan’ny TIM, hoy izy tsy miteny zavatra tsy ho tanteraka. Nampanantena ihany koa izy fa hanampy an’i Jimmy sy ny ekipany amin’ny fitadiavana mpiara-miasa ahafahana mampandroso sy manao ireo fotodrafitrasa izay ilain’ny vahoaka ao Alasora. Nanamafy izany ihany koa ny kandida Jimmy Andriantsoa raha nandray fitenenana. Nambarany fa tsy ho diso fanantenana ny vahoakan’Alasora raha mifidy azy. Ireo lafiny tena maika ho an’ny vahoaka no atao vaindohan-draharaha, hoy izy. Taorian’Ambodivondava, dia nitety fokontany maromaro tao amin’ny kaominina Alasora ny kandida sy ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara Marc Ravalomanana

 Solotiana R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT