Politique

«Jeunes TIM Analamanga» Miomana hitsena ny filoha Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Andro faharoan’ny fianarana dihy natokana ho an’ireo tanora TIM etsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko etsy Bel’Air ny omaly alarobia tolakandro.

 Hetsika izay karakarain’ny «Jeunes TIM Analamanga» izy ity ary natao indrindra hamenoan’ny ankizy ny fotoanany, hialana amin’ny fidonanam-poana sy fironana amin’ny zavatra tsy mahasoa toy ny fidorohana zavamahadomelina … izay tena mihanaka tokoa ao anatin’izao krizy izao. Misy karazana fianarana fihetsika iombonana sy mirindra ihany koa ataon’ireto tanora ireto hanomanana ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Araka ny fanazavan’ny CT Ravololofanja Aurélie filohan’ny «Jeunes TIM Analamanga» dia hosokafana tsy ho ela ihany koa ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny sakafo. Ho fanatsarana ny fanaingoana trano sy toerana hafa toy ny sehatra sy ny an-kalamanjana efa nosahanin’ireto tanora TIM ireto hatrizay dia hisy ihany koa ny fanatevenam-pahalalana homena azy ireo mikasika izay. Marihina fa maimaimpoana avokoa no anarahan’ireto tanora ireto ny fiofanana miaraka amin’ny Maître Lafatra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT