Efa masaka tsara ankehitriny ny fihetsika mirindra nianaranay hoentina mitsena am-pahamendrehana ny filoha Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana, hoy ny CT Ravololofanja Aurélie filoha am-perinasa ny “Jeunes TIM” Analamanga.
Na izany aza, hoy izy, dia mbola misy ihany ny famerenana tsy maintsy hatrehana hahatomombana tsara izany ny alarobia (anio) ao amin’ny Foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara Bel’Air ao anatin’ny fianaranay ny dihy rehetra amin’ny ankapobeny. Nambaran’ity mpitarika tanora ity fa manana andraikitra lehibe noho ny rehetra amin’ny maha tompon’ny hery azy ankehitriny ny Tanora TIM eo amin’izay fitsenana an’i Dada izay.
Anisan’ireo tsy nety kivy ary tsy niala teny an-kianja nandritra ny telo taona niaraka tamin’ny rehetra ny “Jeunes TIM”, hoy ny CT Fanja, ka rariny sy hitsiny raha hanome voninahitra ny raiamandreny amin’ny fiverenany an-tanindrazana. Misy lamina matipaika hampitain’ny Maître Lafatra anay ao anatin’ny fianarana dihy, hoy ity mpitarika ny Tanora Tiako i Madagasikara ity, dia izay lamina mifanandrify amin’izay efa napetraky ny filoha Marc Ravalomanana hatramin’izay nitondrany ny tany sy fanjakana izay ka heverinay fa tokony haverina amin’ny toerany sy ny hasina maha izy azy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.