Efa misandrahaka manerana ny nosy ny JLM (Jeunes Leaders Malagasy) ahitana mpikambana tanora latsaky ny 45 taona izay manome lanja betsaka ny fanadihadiana politika eto amin’ny firenena.
Misy ny lonilony politika eto Madagasikara hatramin’ny taona 2014 nandraisan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fahefana, hoy ity fikambanana ity. Anton’izany ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana tandrametraka tamin’ny taona 2010. Teo ny fanendrena ny praiminisitra tsy mifanaraka amin’ny andininy faha-54. Tsy mbola mijoro hatreto ireo andrimpanjakana fanalahidy toy ny Fitsarana Avo (HCJ) manana fahefana mitsara ireo olom-panjakana mpandika lalàna. Efa mitondra mankany amin’ny tsy filaminana avokoa anefa ny tondro rehetra ankehitriny, hoy ny mpikambana mpiara-mitantana Rado Ratobisaona. Dingana fampihenana ny savorovoro fotsiny ihany rahateo ny fifidianana. Ho kely kokoa moa ny fahapotehana ara-toekarena raha miseho mialohan’ny fifidianana izany. Azo hanaporofoana ireo ny vidin’ireo korontana nolalovan’ny fiaraha-monina Malagasy hatramin’izao tahaka ny fahaverezana asa, fiainana mitotongana na koa ireo fotodrafitrasa sy orinasa potika, araka ny fahitan’ny JLM azy.
Ramano F.
Sary Fampihaingoana : Rado Ratobisaona, mpikambana mpiara-mitantana ny JLM
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.