Politique

Jeune TIM Antehiroka Manohana ara-tsakafo ny mpianatra


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Tranga iray miseho amin’ny fokontany iray eny Antehiroka, distrika Ambohidratrimo dia miverina hariva ny mpianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao, rehefa talata sy alakamisy.

Reraka mivezivezy ireo mpianatra, hany ka tsy mifantoka amin’ny fianarana ny sainy. Nifanatona, nifampiresaka ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao, ka niaraka nanapa-kevitra fa hasiana « cantine » ho an’ireo mpianatra, ho fanohanana ara-tsakafo azy ireo. Mifanojo indrindra amin’ny tanjon’ny Jeune TIM Antehiroka izany ka noraisin’ireto farany an-tanana io « cantine » io mandritra ity taom-pianarana ity. Vola enina hetsy Ariary isam-bolana no hatokan’ny Jeune TIM Antehiroka ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny sekoly amin’ny « cantine » sady ho fitsinjovana sy fikolokoloana ireo kilonga madinika izay hoavin’ny firenena mandranto fianarana ao. Tsy nisy andraso andraso fa natomboka omaly talata 20 martsa 2018 avy hatrany io tohana ara-tsakafo ny mpianatra io, ary hitohy hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana. Ny Jeune TIM ihany koa amin’ny maha fikambanan’ny tanora azy dia mijery ny tanora, manomana azy ireo amin’ny fiatrehana ny hoavy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT