Politique

«Jeune TIM Analamanga » Nahazo hery tamin’ny firesahana tamin’i Neny Lalao Ravalomanana


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Hery lehibe ho anay ny nahita sy nifampiresaka nivantana indray tamin’i Neny Lalao Ravalomanana teny an-tseranam-piaramanidina teny Ivato tamin’ny zoma 27 jolay teo na dia fotoana fohy fotsiny aza, hoy ny filohan’ny fikambanana «Jeune TIM Analamanga», ny CT Ravololofanja Aurélie

 Nampiakatra ny fanantenana efa tato aminay hatramin’izay ny amin’ny tsy maintsy hodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ato ho ato iny fihaonana iny, hoy izy. Na dia teo aza ny savorovoro ninian’ny mpitandro ny filaminana natao tamin’ny fampiasana herisetra tamin’i Neny Lalao Ravalomanana sy ny vinantovaviny dia vao mainka nampiakatra ny hambom-pon’ny tanora Tiako i Madagasikara izany ka nampitombo isa indray ireo mpianatra dihy ato aminay ato Bel’Air isaky ny alarobia. Efa nambaranay fa anisan’ny masahanay ato ny fihetsika tsara rindra hoentina mitsena am-pahamendrehana ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Marihinay, hoy ny CT Fanja, fa tena miandrandra fatratra ny filoha Ravalomanana ny tanora Tiako i Madagasikara amin’ny fampivoarana ity firenena izay norotehan’ny fanonganam-panjakana tsy am-piheverana nataon’ny FAT ity.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT