Politique

Jet privé an’ny filoha Nentina any Torkia


  • Talata 24 Mey 2016

Ny alahady tolakandro teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny repoblika no nigadona tany Istanbul Torkia ny delegasionina notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, nahitana ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Narson Rafidimanana, ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika Rtoa Herisoa Razanadrakoto.

Nisy avy hatrany fivoriana natao mba handaminana ny paikady hoentin’ny delegasionina Malagasy miatrika ny fihaonana sy ireo fivoriam-baomiera manodidina ilay fivoriana iraisam-pirenena momba ny maha olona tanterahana any Istanbul. Tsikaritra tamin’ny alalan’ny sary fa fiaramanidina manokana « jet privé » no nitondra ny filoha Rajaonarimampianina sy ireo delegasionina niaraka taminy. Ka asa indray izay fanazavana omen’ny fitondram-panjakana momba azy io, nofaina ve sa novidiana sa fanomezana manokana ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT