Politique

Jeneraly Solamena “Lasa fanjakan’ny mpampihorohoro i Madagasikara”


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Manomboka miala tsikelikely ireo mpanohana ny filohan’ny FAT, hoy ny Jeneraly Solamena na i Iandro Robertson satria efa hita fa ho rendrika ny sambo.

 Momba ny resaka famafan-keloka, dia fanontaniana napetrak’ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity ny hoe iza tokoa no mila izany amnistia izany ? Iza no namono olona tamin’iny 7 febroary iny ? Araka ny fanazavany dia nisy boky kely, 20 pejy, nosoratan’ny jeneraly Raoelina nitantara ny momba ny zava-nitranga iny 7 febroary 2009 iny. Eo koa, hoy izy ny taratasy soratanan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, eo koa ny an’ny kolonely Rakotonandrasana Noel. Ho an’ny jeneraly Solamena dia mazava ny resaka. Tsy afa-miala amin’iny raharahan’ny 7 febroary 2009 iny ny minisitry ny fiarovana amin’izao fotoana izao sy ny talen’ny fiarovana teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika tamin’ireny fotoana ireny.

Eo koa ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao fotoana izao izay lohalaharana tamin’ny fitarihana olona teny amin’ny Faritra mena. Ankoatra azy ireo ny fikambanana AV7 izay nitarika olona hanafika lapam-panjakana. “Lasa fanjakan’ny mpampihorohoro i Madagasikara amin’izao fotoana izao”, hoy ihany ny jeneraly Solamena. Ny fanonganam-panjakana natao teto no nampijaly sy nahabotry ary nahakamboty tsy fidiny ny Malagasy. Zavatra roa no tena atahoran’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina ny fiverenan-dRavalomanana dia eo aloha ny tahotry ny fitoriana mety hapetrak’ity farany noho ny fandrobana natao tamin’ny fananany, ary eo koa ny fahatahorana ny filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena satria lany avy hatrany Ravalomanana rehefa tonga izany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT